Taiwaney Antsasaky Ny Tapitrisa No Manohana Ny #CongressOccupied (Voabodo Ny Kongresy)

The rally from the air. Photo by Lu Tong-hi. CC: NC.

Fihetsiketsehana an-kalamanjana – Sary avy amin'i Lu Tong-hi. CC: NC.

Tamin'ny Alahady 30 marsa 2014, Taiwaney teo amin'ny 500 000 teo no nanatevin-daharana ny fihetsiketseham-bahoaka tao amin'ny arabe Ketagalan ao Taipei mba hanohana ireo mpanao fihetsiketsehana izay mibodo ny Antenimiera mpanao lalàna ao amin'ny firenena, fantatra amin'ny anarana hoe Antenimiera Yuan, ho fanoherana ny fifampiraharahana miafina mikasika fifanekena ara-barotra miaraka amin'i Shina (fifanarahana ara-barotra servisy iraisan'ny mpifanolotra sisindranomasina (CSSTA)).

Nitanisa ireo fitakiany [zh] ireo mpanao fihetsiketsehana #CongressOccupied, mijoro eo anoloan'ny lapam-panjakana :

1. 退回服貿協議;
2. 兩岸協議監督專法法制化,先立法、再審服貿協議,立法院完成前不得與中國洽談或簽定新協定或協議;
3. 召開公民憲政會議;
4. 要求朝野立委站出來,響應人民的訴求,支持民間版兩岸協定締結條例草案盡速完成立法。

1. Fialàna amin'ny fifanekena CSSTA ;

2. Fananganana sehatra fanaraha-maso ny fomba fiasan'ny fifanarahana iraisan'ny mpifanolotra sisindranomasina alohan'ny handinihana indray ny CSSTA. Mandra-pahatontosa izany, tsy tokony hiditra aminà fifampiraharahana, na manasonia fifanekena i Taïwan sy Shina;

3. Fanatontosana “Fihaonambe momba ny lalàmpanorenana hoan'ny olom-pirenena”;

4. Tokony hijoro sy hamaly haingana araka izay tratra ny fitakian'ny vahoaka amin'ny fananganana sehatra fanarahamaso ireo fifanekena misy eo amin'ny mpifanolotra sisin-dranomasina ireo mpanao lalàna avy amin'ny antoko roa tonta.

Nangataka tamin'ireo mpanohana azy koa ireo mpanao fihetsiketsehana mba hoavy isan'andro ao amin'ny Antenimiera Yuan ho fanohanana ny fibodoana sy hanerena ireo mpanao lalàna mba hamaly haingana ireo fitakiana.

A kid in the rally. Photo by sheina0128. CC: NC.

Ankizivavikely tao amin'ny fihetsiketsehana. Sary avy amin'i sheina0128. CC: NC.

Tsy avy ao an-toerana ahitana tanàndehibe 45 sy faritany 16 ao Taïwan ihany ny fanohanana azon'ny fihetsiketsehana fibodoana fa misy ihany koa ny fanohanana avy any ivelany avy ao Hong Kong, sy ireo mpikatroka avy ao amin'ny Shina Tanibe ihany koa, tahaka an'i Hu Jia, izay naneho ny fanohanany tao amin'ny Twitter tamin'ny 30 Marsa.

下午1:00,我在北京的家狱里一个人参加了。所以,台北太阳花学运的朋友们,北京有人在和你们同步。北京,没有缺席。

Amin'ny 1 ora atoandro izao. Miara-dia amin'ny fihetsiketsehana tao amin'ny [araben'i Ketagalan, Taipei] ny tenako manokana fa mbola voatàna an-trano aty Beijing aho izao. Hoan'ireo namako ao Taipei izay namonjy ny Hetsika Tanamasoandro: misy olona manohana anareo ao Beijing. Tsy banga ao amin'ity fihetsiketsehana ity i Beijing

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.