- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Ny Tsiambaratelon'i Etazonia “Twitter Kiobàna”

Sokajy: Etazonia, Kiobà, Pakistana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Face

Nampitodika ny sain'ny mpanara-baovao maro ny namoahana fa nisy paikadin'i Etazonia hanohanana ny fanovana fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny mpanao raharaham-pandefasan-kafatra mitovy amin'i antsoina hoe ZunZuneo [1] ary notaterin'ny vaovao fa Kiobàna an'arivony no voafitaka tamin'ny fisoratana anarana ho amin'izany servisy izany tamin'ny alalan'ny antony hosoka.

Hisy fiantraikany ho an'ny mpikatroka nomerika manerantany ve izany? Misy ny sasany manahy fa hitarika ho amin'ny fiahiahiana sy fanivanana bebe kokoa ny aterineto sy ny tambajotra sosialy any amin'ny firenena misy azy izany.

Adihevitra manome aingam-panahy niarahana tamin'i : Sana Saleem [2], Ivan Sigal [3] ary Solana Larsen [4].