Nanamarika ny Andron'ny fetin'ny Lainga tao amin'ny Twitter ny Etiopiana tamin'ny alalan'ny fandefasana lohatenim-baovao tsy marina izay maka tahaka ny “lainga” nataon'ny Fahilavi-panjakana (ETv), fahitalavi-pirenena tokana ao amin'ilay firenena Afrikanina. Amin'ny fampiasana diezy Twitter #ETvDay, niampanga ny ETv ireo mpiserasera Twitter noho ny “filazana lainga mandritra ny 365 andro”
Nanomboka tamin'ity sary eto ambany ity izany:
ETv made it to the UN international days list. #ETvDay in #EtvStyle. By @jomanex pic.twitter.com/8hMK76uWS8
— BefeQadu Z Hailu™ (@befeqe) March 31, 2014
Vitan'ny ETv ny nanao azy ho ao anatin'ny lisitry ny andro iraisam-pirenen'ny firenena Mikambana. #ETvDay amin'ny endrika #EtvStyle. Sary avy amin'i @jomanex
Jomanex nanamarika tamin'ny teny Amhariky:
አፕሪል ዘፉል የፈረንጅ ነው ኢቲቪ ግን <<የኛ>> ነው፡፡ ከስተማይዜሽን #EtvDay
— Jomanex Kassaye (@jomanex) April 1, 20 andro
Fiavahana: Hoan'ny vahiny ny Fetin'ny lainga. ETV «Ny anay».
Soli kosa namazivazy mikasika ny fifidianana ankapobeny hoavy amin'ny taona 2015:
The coming 2015 national election is fair, free and democratic. #ETVday. #Ethiopia
— Soli ሶሊ (@Soli_GM) April 1, 2014
Marina, malalaka sady demaokratika ny fifidianana eto amin'ny firenena hoavy amin'ny taona 2015.
Niafara tamin'ny fihetsiketsehana teny an-dalambe ilay fifidianana nampifanditra tamin'ny taona 2005 tao Etiopia, ka olona 193 no namoy ny ainy ary 30 000 kosa no nogadrain'ny mpitandro ny filaminana. Niafara tamin'ny fandresena miezinezina azon'ny Manda Demaokratika Revolisioneram-bahoaka Etiopiana ankehitriny ny fifidianana tamin'ny 2010, ka azony avokoa ny 99,6 isan-jaton'ny seza tao amin'ny antenimiera. Nolavin'ny mpanohitra ny voka-pifidianana ary nilaza ireo mpanaramaso iraisam-pirenena fa tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena ny fifidianana.
Toa hahatratra ny iray amin'ireo Tanjon'ny taonarivo fahatelo ho amin'ny fampandrosoana i Etiopia -andian-tanjona hoan'ny fampandrosoana nolaniana nandritra ny Vovonan'ny Taonarivo fahatelon'ny Firenena mikambana tamin'ny taona 2000- izay tratrarina ao anatin'ny fotoana fohy:
“ኢትዮጵያ የንፁህ መጠጥ ውሃ አቅርቦትን ከምዕተ አመቱ ግብ ቀድማ እንደምታሳካ አንዳንድ ውስጥ አዋቂ ምንጮች ገለፁ” #ETvDay (Photo Arsi/Ethiopia – 2013) pic.twitter.com/GZ7iF9JvFx
— Zelalem Kibret (@zelalemkibret) April 1, 2014
Nilaza ny loharanom-baovao fa hanome famatsiana rano madio alohan'ny fe-potoana farany amin'ny Tanjon'ny Taonarivo Fahatelo ho amin'ny fampandrosoana i Etiopia
#Etvday በጉለሌ ክፍለ ከተማ የሚገኙ ነዋሪዎች ከ20 ቀናት በላይ የመጠጥ ውሃ ማግኘት ባይችሉም፥ ልማታዊው መንግስታችን ያለ መጠጥ ውሃ እንዴት መኖር እንደሚቻል አስቀድሞ ስልጠና ስለሰጠን ተጎጂ አልሆንም ሲሉ ገለፁ።
— Tewodros Belay (@tewodros_belay) April 1, 2014
Nilaza ireo mponina manodidina ny tanàndehibe izay tsy mba nahazo rano madio tao anatin'izay 20 andro lasa izay fa tsy voakasik'izany izy ireo satria efa nahazo fiofanana mikasika ny fomba fivelomana tsy misy rano.
Momba ny fitsapa-kevi-bahoaka tao Krimea, izay nandanian'ity faritr'i Okraina ity ny fanakambanana azy amin'i Rosia:
ሩሲያ ክሬሚያን የራሰዋ ግዛት ማድረግ ፤ ኢትዮጵያን ከእድገትና ትራንስፎርሜሽን እንደማያደናቅፋት አንዳንድ የአዳማ ነዎሪዎች ተናገሩ #ETvDay
— Yassin Nuru (@yassinahmed1) April 1, 2014
Nilaza ny sasany tamin'ireo mponin'i Adama [tanàna ao afovoan'i Etiopia] fa tsy misy fiantraikany amin'ny Drafitr'asa Fampitomboan-Karena sy Fanovana an'i Etiopia ny fanakambanana an'i Krimea amin'i Rosia.
Nosokajian'i Mahlet anaty karazany roa ny vaovao:
There is news and there is ETV news. #ETvDay
— Mahlet (@Mahlet_S) April 1, 2014
Misy ny vaovao ary misy ny vaovaon'ny ETV
BefeQadu nanampy hoe:
የዓለም ሕዝብ በሁለት ይከፈላል፤ ኢቴቪ በየቀኑ የሚያይ እና እግዜር ያተረፈው። #ETvDay
— BefeQadu Z Hailu™ (@befeqe) April 1, 2014
Misy karazany roa ny olona eo amin'izao tontolo izao: ireo izay mijery ny ETv isan'andro sy ireo izay narovan'Andriamanitra tsy hijery ity fahitalavitra ity
Amin'ny fampiasana ny teny filamatry ny Vaomieran'ny Fizahantany Etiopiana taloha “masoandro mibaliaka 13 volana”, hoy i Saleh:
13 months of sunshine & 13 months of government lies on a state-owned TV station. #ETvDay = April the fool @BBCAfrica @AJStream
— saleh (@2zworld) April 1, 2014
Masoandro mibaliaka 13 volana sy laingan'ny governemanta 13 volana ao amin'ny fahitavi-panjakana.
Firy andro no mba azon'ny ETV ao anatin'ny taona ?:
In response to allegations by activists that today is #ETVday, ETV announced today is the only day of the year that it does not own. #April1
— Bon Bon (@BonayaBonso) April 1, 2014
Ho valin'ny fanambarana nataon'ireo mpikatroka fa andron'ny #ETVday androany, nanambara ny ETV fa andro tokana isan-taona tsy mba nananany ny #1Aprily
Oromo Network's nirary soa hoe:
I expect mass resignation by ETV journalists today. #ETvDay #13monthsofEtvlies
— Oromo Network (@Oromo_NT) April 1, 2014
Miandry fatratra ny fametraha-pialàna faoben'ireo mpanao gazetin'ny ETV aho androany.
Ankafizo ny ambin'ireo sioka #ETvDay eto.