Horohorontany Mafy Nanozongozona An'i Shily Sy Pero

Sismo

Sary nalaina avy amin'ny kaonty Twitter-n'ny @24HorasTVN

[Mankany amin'ny tranonkala miteny Espaniola ny rohy rehetra raha tsy misy toromarika.]

Nisy horohorontany nahery nahatratra 8,3 tamin'ny maridrefy tany avaratr'i Shily sy atsimon'i Pero ary ny faritra manodidina toa an'i Bolivia ny harivan'ny Talata 1 Aprily 2014 ka nahatonga ny fanairana ny morontsiraka fa hisy tsunami. 

Olona enina no maty tany Shily, isan'izany lehilahy Peroviana iray. Tsy mbola nisy kosa tatitra mikasika ireo fahasimbana goavana avy any amin'ireo faritra telo izay tena niharan'ny hovitrovitra mafy tany Pero -Tacna, Moquegua ary Arequipa. 

Nanomboka nisera tamin'ny Twitter ireo Peroviana nandritra sy taorian'ilay hovitrovitra. Any, lazain'ny sasany fa tsy misy jiro ny tanàna noho ny fianjeran'ny andrin-jiro :

Natanjaka be ny fihovitrovitry ny tany tao amin'ny tanànan'i Tacna, tsy misy jiro ny tanàna.

Milaza misimisy kokoa ny antsipirihany ny onjampeo La Linterna :

Tatitra avy any Tacna avy amin'ny vokatr'ilay horohorontany nahery segondra vitsivitsy lasa izay.

Voalaza fa tsy misy jiro sy tsy misy finday miasa any Moquegua:

Tsy misy jiro ny faritr'i Tacna sy Moquegua. Rava ny fotodrafitrasa misahana ny tolotra finday Movistar sy  Claro taorian'ilay horohorontany…

Tatitra avy any Shily momba ny famindràna ireo olona monina any amin'ny morontsiraka avaratra ho fitsinjovana ny fahatongavan'ny tsunami:

VAOVAO FARANY – Tamim-pahatoniana no nanaovana ny famindràna ireo olona any avaratr'i Shily araka ny nolazain'ny solon-tenanay any Arica.

SARY: Tahaka izao no namindràna ireo avy any amin'ny morontsirak'i Shily noho ny fanairana fa hisy tsunami.

Tahaka izany ihany koa, nisy koa ny baiko famindràna ireo olona amin'ny tanàna maro any atsimon'i Pero :

MAIKA: Baiko famindràna ireo Peroviana monina any amin'ny morontsirak'i Arequipa, Ica, Tacna.

MAIKA – HOROHORONTANY TANY SHILY: Nolazain'ny manam-pahefana Peroviana tamin'ny AFP fa namindra toerana ireo olona tany atsimon'ny firenena ry zareo.

MAIKA – HOROHORONTANY TANY SHILY : Nakatona ny làlana mankany Costa Verde [faritra amorontsirak'i Lima] avy any [ amin'ny distrikan'i] San Miguel, Magdalena, San Isidro, Miraflores ary Barranco ao Lima.

Nolazaina fa tonga any amin'ny morontsirak'i Ilo sy Tacna any atsimon'i Pero ny onja tsunami voalohany :

Tonga tany La Punta Callao tamin'ny 8:31 alina,  tamin'ny 7:39 tany Ica ny onja Tsunami, efa tonga mialoha kosa ny tany Tacna sy Moquegua.

Nandritra izany fotoana izany dia nisy tatitry ny fiverenana hovitra tany Shily :

SHILY: Fara-fahakeliny nisy fiverenana in-dimy tamin'ny maridrefy 5 taorian'ilay iray nahery be. Ireto avy ireo firenena misy fanairana momba ny tsunami.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.