Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

04 Avrily 2014

Tantara tamin'ny 04 Avrily 2014

#CongressOccupied : Hetsi-Panoheran'Ireo Manome Endrika (Designer) Any Taiwan

Nandray anjara mavitrika tamin'ny alàlan'ny famoronana doka, sora-baventy ary akanjo ireo Taiwane mpamorona sary mba ho fanoherana ilay fifanarahana ara-barotra amin'ny Shina miteraka resabe.

Horohorontany Mafy Nanozongozona An'i Shily Sy Pero

Nolazain'ireo mpisera amin'ny Twitter fa rava ny fotodrafitrasa momba ny antso amin'ny finday ary tapaka ny jiro any amin'ny faritra maro any Pero.

Tsy Eken'ny Vehivavy Amerikana Latina Ny Sarisarizoro Mandokandoka Eny An-dalana

Nizara sary sy fanehoana an-tsary ireo mpanakanto sy mpiserasera mba hiampanga ny fisarisarizoro mandokandoka ary mangataka fanajana ny vehivavy.

Okraina: Fisarahana Amin'ny LiveJournal Rosiana?

Nanambara i Igor BigDan (ibigdan), iray amin'ireo bilaogera Runet malaza indrindra omaly fa hiala amin'ny asany maha-talen'ny LiveJournal Okraina azy izy manomboka amin'ity volana Aprily ity.