Maty nisy namono tamin'ny herinandro lasa teo ilay miramila Iraniana antsoina hoe Jamshid Danaeifard rehefa nalain'ireo vondrona mpikomy Miozolomana Sonita Baloch (Tafiky ny Rariny) ankeriny tamin'ny volana Febroary izy sy ireo mpiambina sisintany hafa ao akaikin'ny sisintanin'i Pakistana.
Ho takalon'ny famotsorana ireo lehilahy, nitaky tamin'ny governemanta Iraniana ireo mpikomy hamotsotra ireo gadra 50 avy ao amin'ny vondrony, sy gadra 300 hafa izay sokajian'izy ireo ho «olom-pirenena Sonita,” ary vehivavy 50 izay nolazain'izy ireo fa migadra ao amin'ny fonja revolisionera ao Syria.
Ao Sistan-Baluchestan, iray amin'ireo faritra lehibe sy mahantra indrindra ao Iran, izay manana mponina Miozolomana Sonita 2 tapitrisa no manao ny ataony ny vondrona Jaish-al-Adl (sokajian'i Iran ho vondrona mpampihorohoro). Mitaky fizakantena bebe kokoa avy amin'ny governemanta Shiita ao Teheran ny foko Baloch sy ireo mpikomy Miozolomana Sonita ao amin'ny faritra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay.
Misaona ny fahafatesan'i Danaeifard ao amin'ny Twitter amin'ny diezy #FreeIranianSoldiers (Avotsory ireo Miaramla Iraniana) ny Iraniana, ary mbola matahotra ny mety hanjò ireo lehilahy efatra ambiny. Nisy ihany koa ireo nizara asa-tanana (tahaka ity sary eto ambony ity) tao amin'ny Twitter ho fanomezam-boninahitra azy.
Tao amin'ny Twitter, nilaza i Masood fa tanora raim-pianakaviana izay tsy mba afaka nahita akory ny zanany vao teraka ilay miaramila maty nisy namono. Hoy izy nisioka:
#FreeIranianSoldiers How sad is the way world don't care death of a father who didn't see his new born, unnamed child!
— Masood (@luckybuilding) March 26, 2014
#FreeIranianSoldiers Mampalahelo ny tsy iraharahian'izao tontolo izao ny fahafatesan'ilay raim-pianakaviana tsy mba afaka nahita imaso ny zanany vao teraka akory, zaza tsy mbola manana anarana!
Kely fanantenana i Sgh Pa raha nisioka ny amin'ny famotsorana ireo miaramila:
اگه به جای 5 تا #سرباز 2 تا #آخوند #گروگان گرفته بودن دولت زودی 1000 تا #زندانی آزاد میکرد. فوقش هم 2 تا #ملا میمرد. به درک خب! #مرزبان
— Sgh Pa (@pa_sgh) March 25, 2014
Raha Mollah [mpitondra fivavahana] roa no nalain'izy ireo fa tsy miaramila dimy, mety efa namotsotra ireo gadra 1 000 ny governemanta [mba hampodiana azy ireo].
Mohammad Ali Shabani nisioka ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny ambasadin'i Pakistan ao Teheran.
Iranian social media users urge silent protest in front of Pakistani embassy in #Tehran on Thurs 3pm. #FreeIranianSoldiers
— Mohammad Ali Shabani (@mashabani) March 26, 2014
Mandrisika fihetsiketsehana mangina eo anoloan'ny ambasadin'i Pakistana ao Teheran ireo mpiserasera media sosialy Iraniana tamin'ny Alakamisy tamin'ny 3 ora hariva