Tantara tamin'ny 01 Avrily 2014
Shina : Ny Fiantohana Amin'ny Setroka, Vahaolana Farany Amin'ny Fahalotoan'ny Rivotra iainana
Ny fiantohana amin'ny setroka, izay voalohany amin'ity karazany ity, dia mikendry ireo mpivahiny sy ireo mponina any amin'ny tanàna fito any Shina. Niaina tao anaty fahalotoan'ny rivotra iainana nandritra ny taona maro ny tanàna sasany.
Fikasana Hampihorohoro? Nafahan'i Sri Lanka Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Mpiaro Ny Zon'olombelona
Voasambotra i Ruki Fernando sy Praveen Mahesa ny 16 Martsa 2014 ary nampangaina ho nivarotra vaovao tany ivelany, sy nikasa ny hanakorontana ny fandriampahalemana nisy teo amin'ny firenena sy teo amin'ireo vondrom-piarahamonina, ary nanampy sy niray tsikombakomba tamin'ny fananganana indray ny Tamil Tigers (Tigres Tamouls)
Malezia : Manosika Fotokevitry Ny Tsikombakomba Ny Misterin'ilay Fiaramanidina MH 370
Herinandro taorian'ny niandrasana ny valinteny tamin'ny tsy fahitàna ilay fiaramanidina MH370 sy ireo mpandeha 239 dia nisy fotokevitra marobe momba ny tsikombakomba nivoaka mba hameno ny banga momba ny zava-nitranga.