GV Face: Fanaovana Lahatsary Hoan'ny Fiarovana Sy Ny Fanovana Miaraka Amin'ny Witness Sy Rising Voices

Mampiasa lahatsary ve ianao mba hahatonga ny fanentanana ataonao hotanteraka? Milaza tantara sy maka sarimihetsika miaraka amin'ny kamerà na findainao ve ianao?

Amin'ity fandaharan'ny #GVFace ity, miresaka momba ireo tsara ho fantatra rehefa mampiasa lahatsary hoan'ny fiarovana i Matisse Bustos Hawked sy Bukeni Waruzi avy ao amin'ny Witness sy Laura Morris avy ao amin'ny Rising Voices, ary ny fomba handresena ireo olana mahazatra mianjady amin'ireo olo-tsotra tia mampita vaovao, anisan'izany ny miasa eny amin'ny faritra sarotra ny fahazoana miserasera (antso sy aterineto) sy ny fomba hahazoana mpihaino bebe kokoa amin'ny alalan'ny teknolojia iva sy avo lenta.

Niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fanamarina-botoaty sy ny fitondrana ny fanontaniana amin'ny alalan'ny fampiharana Q (Fanontaniana) sy A (Valiny) ihany koa izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.