
Natalia Poklonskaya, olo-malaza amin'ny sarimiaina Sary nozaraina tao amin'ny aterineto.
Nambabo ny fo sy ny sain'ny RuNety i Natalia Poklonskaya, mpampanoa lalàna vaovao notendren'ny governemanta mpisintaka ao Krimea, ary mahagaga fa nambabo an'i Japana ihany koa izy. Olona maherin'ny iray tapitrisa no efa nijery ny lahatsary Youtube misy azy nandritra ny valandresaka nataony tamin'ny 11 Martsa, angamba noho ny endriny ivelany somary tanora (33 taona izy ankehitriny) miampy ny biraony izay hita fa matotra tokoa.
Lasa aingam-panahy hoan'ny mpankafy haikanto Japoney sy Rosiana ny tarehy malefaka saingy hentitra an'i Poklonskaya, miresaka amin'ny mpanao gazety ary voahodidina mikrô. Nalaina avy amin'ny manga (tantara an-tsarimiaina Japoney) ny ankamaroan'ireo sary ary miompana betsaka amin'ny endrika “mahafatifaty” na “kawaii” amin'ny vatan'i Poklonskaya. Taorian'ny fisehoana voalohany tao amin'ny toerana hoan'ny mpanakanto manga Japoney Pixiv [jp], niely tao amin'ny RuNet sy ny tabilaontsary ireo sary, tahaka ny Pikabu.ru [ru], fakan-tahaka mahaliana isan-karazany amin'ny karazany.
Toa hita fa nankasitrahan'i Poklonskaya ireo kanto tao amin'ny kaonty Twitter, hoy izy nanomboka nisioka tamin'ny 20 Marsa:
Спасибо вам за поддержку и творчество! Все рисунки восхитительны)
— Наталья Поклонская (@NPoklonskaya) March 20, 2014
Misaotra amin'ny fanohanana, sy ny kanto. Mahafinaritra avokoa ireo kisarisary 🙂
Eny, mety hoe hosoka ilay kaonty Twitter-ny satria taminà resadresaka [ru] tamin'ny 19 Marsa, nilaza i Poklonskaya fa tsy manana kaonty ao amin'ny tambajotra sosialy tahaka ny Twitter. Raha hosoka tokoa, mety miaraka amin'ireo kaonty hosoka roa (@sergyaksenov sy @AksenovCrimea) an'ny Praiminisitra ao Crimea Sergey Aksyonov, izay nanambara ihany koa fa tsy mampiasa tambajotra sosialy. Matetika miteraka fibosesiky ny hadalàna mahatsikaiky ny fihanaky ny hosoka amin'ny kaonty Twitter Rosiana – omaly ohatra, nanontany [ru] ny Twitter hosoka an'i Ramzan Kadyrov raha hosoka ihany koa ny kaontin'i Poklonskaya (nilaza ilay nisioka fa tsia).
Tsy maninona raha mankatò i Poklonskaya tena izy, andeha hivadika any amin'ny sehatry ny kanto, ahitana fampitandremana tsy mampino fa mety horaisina toy ny fanambantiana vehivavy ireo sary:

Eto amin'ny sary ankavanana, mihazona sabatra ahitana “LALANA” misoratra aminy i Poklonskaya, izay manatsatoka lohanà bibilava miloko an'ny antoko “Right-Sector” (Vaki-paritra havanana). Toa Rosiana ilay mpanakanto.
- Ity fomba fanaovana sary ity dia antsoina hoe chibi.

Tsy tena lokon'ny fanamiana ity, saingy toy izao ihany ny endriny!

Mbola sary hafa ihany koa ireto.

Eny, eto izy heverina ho “vehivavy-saka”

Eto i Poklonskaya mahita azy ho fanandramana fanaovana fotoana.

Ary amin'ny meta-meme, toa latsa-pitiavana aminy i Putin.

Farany: “NYA-OURS” [na “AWWWRS” no ho mpandresy.