GV Face: Ahoana Ny Hahazoana Vatsy Rising Voices

Manan-kevitra hanampiana ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny faritra misy anao hampiasa ny median'olom-pirenena hilazalazany ny tantarany ve ianao? Mila vatsy sy fanohanana? Te-ho ao anatin'ny tambajotra mampifanohy ny hantsana ara-nomerika ve ianao ?

Izany hoe mila misoratra anarana hahazoana vatsy bitika Rising Voices 2014 ianao!

Tamin'ity zoma ity tato amin'ny GV Face dia nikaroka ny fomba tsara indrindra hahazoana fandresena amin'ny fifaninanana vatsy bitika Rising Voices ny ekipan'ny Rising Voices (RV).

Laura Morris, tonian'ny Rising Voices niresaka tamin'ireo efa nahazo loka taloha avy any Nizera, Goatemalà ary Gresy momba ny fizotran'ny fisoratana anarana, ireo kinasany ary ny traikefany nandritra ny mahampikambana azy ao amin'ny RV.
– Orsolya Jenei, mpandrindra ny Mapping for Niger (Mpandresy tamin'ny 2013)
– Romeo Rodriguez, mpandrindra ny Xela Civic Libraries Guatemala (Mpandresy tamin'ny 2012)
– Alexia Kalaitzi, mpandrindra ny Blind Dates, Gresy (Mpandresy tamin'ny 2011)

Indro ny rohy mankao amin'ny Google + event. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.