GV Face: Arahabaina 25 Taona ny Web!

Feno 25 taona ny web! Amin'ity fandaharana GV Face ity, miresaka momba ireo traikefany taloha tamin'ny web sy izay rehetra azontsika natao tao anatin'izao (efa ho) 10 taona naha-fikambanana azy ireo menavazana avy ato amin'ny Global Voices. Miresaka amintsika momba ny traikefany amin'ny mahampitaridalan'ny web azy i Alan Emtage avy ao Barbados, mpamorona sy mpandrafitra ny Archie, mili-pikarohana voalohan'ny aterineto. Ary mampafantatra antsika momba ny hetsika Web We Want, fisantaran’ andraikitra vaovao mampiroborobo adihevitra manerantany momba ny zon'Olombelona sy ny aterineto kosa i Renata Avila, lohandohan'ny mpisorona ato amin'ny fikambanana Global Voices, sy Josh Levy, Talen'ny Fanentanana ao amin'ny Free Press Internet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.