Voaràran'ny Lalàna Ao Oganda Ny Fiarahan'olon-droa Mitovy Fananahana

Protest against Uganda anti-gay legislation

Ireo mpikatroka: John Bosco (tanana migadra rojovy) sy Bisi Alimi (marika) manao fanamiana gadra, izay manao fihetsiketsehana ao London mba hanohitra ny lalàna mandràra ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana ao Oganda tamin'ny 10 Desambra 2012. Sary avy amin'ilay mpanao gazety #20299. Copyright Demotix.

 

Nanasonia volavolan-dalàna mampifanditra momba ny fandraràna ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana  ny Filohan'i Oganda, Yoweri Museveni, tamin'ny 24 Janoary 2014 izay manasokajy ny fahapelahana ho heloka azo saziana an-tranomaizina mandra-pahafaty, arakaraky ny tranga.

Nankatò ny volavolan-dalàna ny antenimiera Ogandey tamin'ny 20 Desambra 2013. Hita amin'izany ny sazy an-tranomaizina hoan'izay olona tsy milaza momba ny fisian'ny fiarahan'olon-droa mitovy fanahanana any amin'ireo manampahefana ary manasazy ny fampiasana ny kaonty Facebook sy Twitter hoan'ny zon'ny pelaka, izay voasazy an-tranomaizina fito taona farafahabetsany.

Nampitandrina an'ny filoha Museveni ny filoha Amerikana Obama sy ireo filoha hafa manerantany fa fanitsakitsahana ny zon'Olombelona izany lalàna izany.

Nilaza ireo mpikatroka LGBT Ogandey fa mahatonga an'i Ogandey ho toerana ratsy indrindra hoan'ny pelaka manerantany izany lalàna izany. Maro ireo olona nampiasa media sosialy hiresahana momba izany, misy ireo manohana ilay lalàna, misy kosa ireo manohitra mafy.

Le dirigeant du groupe d'organisations  (Minorités sexuel en Ouganda) et militant pour les droits des gays Frank Mugisha a tweeté

Lehiben'ny Fikambanana Sexual Minorities Uganda (Vitsy An'isa Ara-Pananahana ao Oganda) sady mpandala ny zon'ny pelaka Frank Mugisha nisioka hoe:

Mandika lalàna ny kaontiko twitter & facebook, onitra dimy arivo points na sazy an-tranomaizina 5 taona farafahakeliny ary 7 taona farafahabetsany na izy roa

Love1Another nanoratra hoe:

Amerika, afaka manivaiva an'i Oganda ianao izao ary ataovy izay tianao atao, efa manankery ankehitriny ny volavolan-dalàna

Namaly ireo izay manohitra ilay lalàna i Wadda Mutebi:

Ry mpampiroborobo ny fahapelahana, mandehana any amin'ny helo. Afaka miresaka momba ny zon'olombelona tsy misy anareo ianareo ary miara-mifaly amin'ny Satana any.

Jenny Hedstrom nanoratra fotsiny hoe:

Mampahonena. Nanasonia lalàna manohitra ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana ankehitriny ny filohan'i Oganda, Museveni

Nanamarika i John Paul Torach fa mitovy hevitra ny governemanta sy ny mpanohitra tamin'ity resaka ity:

Mbola ratsy kokoa noho i Sevos izay nanasonia ny #antigaybill ny fahanginan'ny mpanao politika mpanohitra … raha manaiky izy roa tonta.. fantatrareo fa resy ianareo.

Nihevitra kosa i Eriche White Walker fa tsy nahavita nametraka fomba fitondran-tena mendrika teo amin'ny vahoaka ireo mpitondra fivavahana:

Raha nanomboka nampiditra ny resaka momba ny fitondra-tena amin'ny fampiasana lalàna ny fanjakana, dia tsy nahomby ny fikambanam-pivavahana

Nilaza ny “I am an African” (Afrikanina aho) fa tsy tokony hampiharina amin'ny fiainan'ny hafa ny fomba fijerin'ny sasany momba ny fananahana:

Tsy azoko ny antony hanohanana ny lalàna #antigaybill ao Oganda! Tsy tokony hanery ny hafa hanaraka na hanaiky ny hevitrao momba ny fananahana ianao. Tsy nisy olona nilaza fa pelaka ianao!

Nilaza am-pivazivaziana kosa i Stuart Grobbelaar fa tokony hankatò lalàna izay mandràra ny fisaraham-panambadiana i Oganda ary manokana ny mariazy hoan'ireo virijiny ihany:

Ry #Ouganda, tena tsara ny lalàna #antigaybill (manohitra ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana). Lazao ahy, rahoviana no mety hahitanay lalàna #anti Divorce (manohitra ny Fisaraham-panambadiana), #antiMarryANonVirgin (manohitra ny fanambadiana tsy Virijiny) sy ny #antiBacon manohitra ny tavin-kenankisoa?

Manontany ankehitriny ireo Ogandey mikasika izay hitranga eo amin'ny fifandraisan'ny fireneny amin'ny hafa, indrindra amin'ny Tandrefana, izay mihevitra fa manitsakitsaka ny zon'Olombelona fototra ilay lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.