- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Flipboard Manovana Ny Global Voices Eo Amin'ny Votoaty Itarihan-Dalana

Sokajy: Fiteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia
Flipboard Italian content guide

Ny mpisera Flipboard Italiana dia hahita ny Global Voices voalahatra eny ambony amin'ny eo amin'ny zoron'ny vaovao tsara hovakiana.

Manomboka amin'ity volana ity, ny Global Voices (amin'ny teny samihafa) dia ampirisihana hovakian'ireo mpisera an-tapitrisa mampiasa fampiharana iray antsoina hoe Flipboard [1] amin'ny fafana nomerika (tablety) na finday avo lenta (smartfĂ´nina) mba hiaina ny traikefan'izany “gazety-boky” manambatra ny media ankafiziny sy ny votoatin'ny media sosialy amin'ny toerana iray.

Ohatra, Toloran-kevitra ny mpisera Italiana hijery ny Global Voices amin'ny teny Italiana [2], ary ny mpisera Flipboard any Brezila hahita ny Global Voices amin'ny teny Portiogey [3] hanoloran-kevitra azy ireo. Azonao jerena hoe tahaka ny ahoana moa ny mitety ny Global Voices amin'ny endrika gazety-boky ato [4].

Nilaza ny Flipboard fa amin'ny voalohany ny Global Voices dia ampidirina ao amin'ny fitarihan-dalana ho an'ireo mpisera any Japan, Hong Kong, Taiwan, France, Espaina, Brezila, Italia, Rosia, Arabo.

Ny Global Voices amin'izao fotoana izao dia vonona amin'ny teny mihoatra ny 30 noho ireo mpanitsy sy mpandika mampiaiky volana ao amin'ny tetikasa Lingua [5]. Miara-dia isika hanatratra ny tanjona manao izay hahatonga ny fampitam-baovaon'olom-pirenena eto an-toerana sy ireo tantara avy any amin'izao tontolo izao hanana mpihaino manerantany. Miaraha aminay!