Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Flipboard Manovana Ny Global Voices Eo Amin'ny Votoaty Itarihan-Dalana

Flipboard Italian content guide

Ny mpisera Flipboard Italiana dia hahita ny Global Voices voalahatra eny ambony amin'ny eo amin'ny zoron'ny vaovao tsara hovakiana.

Manomboka amin'ity volana ity, ny Global Voices (amin'ny teny samihafa) dia ampirisihana hovakian'ireo mpisera an-tapitrisa mampiasa fampiharana iray antsoina hoe Flipboard amin'ny fafana nomerika (tablety) na finday avo lenta (smartfônina) mba hiaina ny traikefan'izany “gazety-boky” manambatra ny media ankafiziny sy ny votoatin'ny media sosialy amin'ny toerana iray.

Ohatra, Toloran-kevitra ny mpisera Italiana hijery ny Global Voices amin'ny teny Italiana, ary ny mpisera Flipboard any Brezila hahita ny Global Voices amin'ny teny Portiogey hanoloran-kevitra azy ireo. Azonao jerena hoe tahaka ny ahoana moa ny mitety ny Global Voices amin'ny endrika gazety-boky ato.

Nilaza ny Flipboard fa amin'ny voalohany ny Global Voices dia ampidirina ao amin'ny fitarihan-dalana ho an'ireo mpisera any Japan, Hong Kong, Taiwan, France, Espaina, Brezila, Italia, Rosia, Arabo.

Ny Global Voices amin'izao fotoana izao dia vonona amin'ny teny mihoatra ny 30 noho ireo mpanitsy sy mpandika mampiaiky volana ao amin'ny tetikasa Lingua. Miara-dia isika hanatratra ny tanjona manao izay hahatonga ny fampitam-baovaon'olom-pirenena eto an-toerana sy ireo tantara avy any amin'izao tontolo izao hanana mpihaino manerantany. Miaraha aminay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.