- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia : Niteraka Setroka Matevina Nandoto Ny Rivotra iainana Ny Doro Ala Tany Riau

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Voina
A burning forest in Riau, Indonesia. Photo by Virna Puspa Setyorini, Copyright @Demotix (6/20/2013) [1]

Ala may any Riau, Indonezia. Sary avy amin'i Virna Puspa Setyorini, Fizakàmanana @Demotix (6/20/2013)

Niha-nahery vaika ny doro ala tany amin'ny faritra andrefan'i Indonezia tamin'ity volana ity ka nanohina ny mponin'i Riau, Andrefan'i Sumatra sy Avaratr'i Sumatra. Nampangaina ho niteraka setroka matevina any amin'ny manodidina an'i Singapore sy Malezia koa ilay ala may.

Nitombo [2]maherin'ny 2.000 ireo faritra kilan'ny afo tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Nandraraka sira [3]enina taonina teny ambonin'i Riau mba handrotsahana orana amin'ny velaran-tany 13.000 hektara main'ny afo ny governemanta mba hifehezana ny afo. 

Niha-naloto ny rivotra iainana,  indrindra tao Riau, izay noheverina fa ‘teboka aotra niandohan’ [4] ny loza nateraky ny setroka. Mponina maherin'ny 33.300 sahady ao Riau no efa marary [5] taovam-pisefoana noho ny setroka amin'izao fotoana izao. Marobe amin'ny mponina izao no fantatra, hatramin'ny zaza, fa misohika sy mikohaka. 

Vokatry ny fandoroana ankitsirano ataon'ireo orinasa manao fambolena ao anaty ala no nahatonga ny afo. Ampangaina ihany koa ireo tantsaha vaventy ho isan'ny miteraka ny doro ‘tsy misy farany’ [6]  ny ala noho ny fomba fiasàny ny tany hamboleny mandoto ny tontolo. 

Hazavain'ny Filoha Indoneziana, Susilo Bambang Yudhoyono (SBY) fa sady loza voa-janahary no loza ataon'olombelona ny fandoroana ny ala :

Tsy ny toetrandro migaingaina tafahoatra ihany no mahatonga ny afo sy ny setroka fa vokatry ny ataon'ny olona sy ireo orinasa izay manandrana mandoro ny tany. *SBY*

Mety ho tratran'io afo amin'izao fotoana izao io ihany koa ny tahirin-tsolika [8] any Indonezia satria any Riau no misy ny 30 ka hatramin'ny 40 isan-jaton'ny famokaran-tsolika nasionaly. 

Fire density in Riau, Indonesia. Image from World Resources Institute [9]

Hakitroky ny afo any Riau, Indonezia. Sary avy amin'ny  World Resources Institute

Ireto tenifototra ireto :  #PrayForRiau [10], #MelawanAsap [11], ary #RiauHaze [12] no ampiasain'ireo Indoneziana mpiserasera amin'ny Twitter mba hanaraha-maso akaiky ny fivoaran'ny setroka sy ny afo :

Aloha sy aorian'ny ny riau. #PrayforRiau [13] (MivavahaHoan'iRiau) ny tsirairay. Manantena oram-batravatra any Riau. amen.  pic.twitter.com/GQgC3a8eci [14]

Ahoana no ahafanatsika miaina ato amin'ity tanàna ity ? Azafady (MivavahaHoan'iRiau) #PrayForRIAU [16] #MelawanAsap [11] cc: @delpieroale [17] @delpieroINA [18] @juventusfc [19] pic.twitter.com/YoFfZOrAtv [20]

#MelawanAsap [11] Aza miato mandra-pandrain'ireo orinasa ireo ny andraikitra. Raha miato isika dia ho toy izao ihany amin'ny taona ho avy.pic.twitter.com/AH0450xAiG [22]

ITY NO TSY AMPY AMINTSIKA! RIVOTRA MADIO TAHAKA ITY! FA TSY TAHAKA ITY! #PrayForRiau [10] pic.twitter.com/05ApdXeZoJ [24]

Fantatro ny hamafin'ny miaina amin'ny toerana ratsy fepetra iainana fa tsy afaka mankaiza  ianareo satria tsy mahita na inona na inona any ivelany#PrayForRiau [10]

Mendrika ny hahazo valisoa toy ny tanàna n°1 manana ny setroka faran'izay mampidi-doza eto an-tany sy ny tsy fanamelohan'ny Filoha izany izahay .#RiauHaze [12]

5% fotsiny ny oksizena. Toe-draharaha mampatahotra be ity #PrayForRiau [10]

Tsy sitrapon'ireo Andriamanitra izao fa asa tanan'ireo olona tsy mandray andraikitra. #PrayForRiau [10]

RT @OngDedy [30]: Ndeha hataontsika ho Olana Iraisam-pirenena io. Mila mivondrona isika HAMPIATO an'io. #PrayForRiau [10]http://t.co/xQbv21JUCq [31]