WoeLab Ao Togo: “Demaokrasian'ny Teknolojia”

Ny WoeLab dia sehatra fiarahamiasa hoan'ny “demaokrasian'ny teknolojia ”[en], natao hahafahan'ny tanora mampiasa solosaina sy fitaovana, izay manampy azy ireo hanatontosa hevi-baovao. Niainga tamin'ny enina ka tonga 15 ny isan'ny mpikambana tao amin'ity laboratoara natsangan'ilay Togoley Sénamé Koffi Agbodjinou tamin'ny taona 2012 ity tao anatin'ny herintaona. Ity no fablab voalohany ao Togo.

Ao anatin'ny tanjon'izy ireo “hamahoahana(*1) ny teknolojia” dia namorona mpanonta printy 3D tamin'ny alalan'ny fitaovana elektronika notsimponina tany anaty fako ny Woelab: mpanonta printy miaro ny tontolo iainana avy amin'ny fomba fijery rehetra rehetra.

Nanome akony ity fahombiazana ity tao anaty lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2013 ny habaka PA-Lunion, nanatsonga mpikambana iray ao amin'ny WoeLab, Edem Alomatsi:

Le Woelab est un espace ouvert, un lieu d’incubation technologique, ça rassemble les jeunes passionnés […]

Jerry c’est un ordinateur. D’abord le nom Jerry vient du mot anglais Jerrycan qui veut dire récipient ou bidon. C’est un ordinateur que nous montons en bidon comme vous le voyez, principalement avec des objets informatiques recyclés, des disques durs, des cartes mères déjà utilisées ou qui sont usagers quelque part et que les gens veulent jeter.

Sehatra misokatra ny WoeLab, toerana fiotrehana (*2) ara-teknolojika mampihaona ireo tanora mpankafy izany […]

Jerry dia solosaina. Voalohany indrindra, ny anarana hoe Jerry dia avy amin'ny teny Anglisy hoe Jerrycan, izay midika hoe goro (*3) na siny . Solosaina nakambakambanay ao amin'ny siny araka ny hitanareo, izay akora informatika notsimpotsimponina toy ny kapila mafonja (disque dur), renin-karatra efa nampiasaina sy tian'ny olona atsipy olona ny ankamaroany.

W. Afate, mpamorona ny printy 3D namboarina vita tamin'ny e-faikan-javatra nanazava ny fomba nanamboarany ilay printy: 

We just brought it and put it together and connected all the stuff and made it work […] We use our imagination to start from those materials and just look at old computers… and see if it’s possible.

Naka sy nanambatra ireo faikan-javatra izahay ary nampifandray ireo singa rehetra mba hampandeha izany […] Nampiasa ny fahaiza-maka sary an-tsaina tamin'ny alalan'ireo fitaovana ireo izahay ary mitodika fotsiny tany amin'ireo solosaina tranainy …ary mijery raha azo tanterahina

W. Afate, creator of the 3D printer. Image courtesy of Woelab.

W. Afate, mpamorona ny printy 3D. Saripikan'ny Woelab.

Niresaka momba ireo kinasany isankarazany tamin'ny alalan'ny mailaka tamin'i Amadou Ndong, mpilatsaka an-tsitrapo iraisam-pirenena ao amin'ny firenena miteny Frantsay Africaine d’Architecture, ary mandray anjara amin'ny tetikasa WoeLab, ny Rising Voice.

Le WoeLab a conçue une imprimante 3D à partir de matériels électroniques récupères sur les décharges d’ordures, c’est une imprimante écologique […]

Je travaille actuellement avec des étudiants en licence de géographie à l’université de Lomé sur un projet qu’ils veulent faire : la cartographie sur OpenStreetMap et la réalisation d’un petit guide de l’université pour les étrangers et les nouveaux bacheliers et l’affichage de cartes imprimées en grands formats un peu partout dans l’université.

Nahavita namorona printy 3D tamin'ny alalan'ireo fitaovana elektronika notsimponina tany anaty fanariam-pako izahay, printy ekolojika.

Miara-miasa amin'ireo mpianatra mitady mari-pahaizana lisansa amin'ny jeografia ao amin'ny oniversiten'i Lomé aho momba ny kinasan'izy ireo: fandraketana an-tsaritany ao amin'ny OpenStreetMap (OSM) sy ny fanatontosana torolalan'ny oniverisite  hoan'ireo mpianatra vao afaka bka sy ny vahiny, ary ny mametaka ho afisy  manerana ny oniversite ny sarintany voatonta amin'ny endrika lehibe.

Satria maro ireo andraikitra sahanin'ny vondrona saingy tsy mba miseho sy fantatra ivelany mihitsy izany, dia miara-miasa amin'ny vondron'ny mpamono afo ao amin'ny firenena Togo izy ireo mba hanamorana sy hampisosasosa ny tetikasa OpenStreetMap. Nanontany an'i Amadou momba izany izahay:

Rising Voices: Inona no ataonareo hoan'ireo mpianatra mba hirotsaka antsehatra amin'ny OpenStreetMap?

J’ai fait du volontariat sur OpenStreetMap [avant…] Je suis rentré en contact avec des etudiants de geographie et les ai proposé de leur faire la formation sur OpenStreetMap comme je le faisais au sein du WoeLab. 

Mais je pense l’utilisation des GPS et des cartes que nous imprimons pour collecter des données sur le terrain les a beaucoup intéressé : ils apprennent tout cela mais c’est chaque fois en theorie seulement ils n’ont pas souvent la chance de faire la pratique et donc le projet OpenStreetMap leur permettait cela […] 

J’ai formé des etudiants en Licence sur OSM et sur Qgis jusqu’a ce qu’ils puissent relaiser leur propres cartes en utilisant la donnée de OpenStreetMap. 

Nilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny OpenStreetMap aho [taloha…] Nifandray tamin'ireo mpianatra jeografia aho ary nanolo-kevitra mba hanao fiofanana momba ny OpenStreetMap, tahaka ny efa nataoko tamin'ny WoeLab.

Saingy mihevitra aho fa ny fampiasàna GPS sy ireo sarintany natontanay printy hanangonana tahiry eny ifotony no tena nahaliana azy ireo: efa nianatra izany izy ireo teo aloha saingy teoria fotsiny. Tsy mba afaka nanararaotra nanao fampiharana izy ireo ka ny tetikasa OpenStreetMap no hahafahan'izy ireo manatontosa izany […] 

Nampiofana mpianatra mitady mari-pahaizana lisansa mikasika ny OpenStreetMap aho sy mokasika ny Qgis mandra-pahavitan'izy ireo manatontosa ny sarintaniny manokana amin'ny fampiasana ny ango-tahiry OpenStreetMap.

Mizara vaovao ao amin'ny pejy Facebook-ny [fr] ny Woelab. .
 
 

(*1) hamahoahana [ny teknolojia]: hanao izay hahazoan'ny vahoaka rehetra [ny teknolojia] fr: démocratisation [de la technologie].

(*2) fiotrehana, avy amin'ny teny hoe miotrika izay midika hoe masahina amin'ny alalan'ny hafanana araka ny fahaiza-manaon'ny olombelona , ny akondro ohatra dia aotrika vao masaka sy azo hanina.

(*3) goro : zavatra tsatokaty, azo asiana rano na zavatra hafa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.