- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia : Voasivana Ilay Boky Misy Ny Tantara An-Tsary ‘Ultraman’ Fa Nampiasa Ny Teny Hoe ‘Allah’

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka
Flickr photo by ted adnan [1]

Sary amin'ny Flickr avy amin'i ted adnan (Lisansa CC )

Voasivan'ny [2]Ministeran'ny atitany ny trano famoaham-boky Bahasa namoaka ny boky mirakitra ny tantara an-tsary ‘Ultraman’ noho ny nampiasany ny teny hoe ‘Allah’. Maherifo ao aminà tantara an-tsary malaza Japoney i Ultraman.

Famoahana an-tsary toetran'olona iray izay nofaritana ho ” raisina sy hajaina ho toy ny ‘Andriamanitra’ na ny Zokiny indrindra amin'ireo mahery fo” ny ‘Ultraman The Ultra Power’. Nadika [3]hoe Allah ny teny hoe Andriamanitra ao amin'io tantara io. Nolazain'ireo manam-pahefana izay nandrara  fa mety hampikorontana ny ankizy izany rehefa mamaky ny Allah izy ireo. 

Firenena betsaka Silamo i Malezia. Misy fifanoherana ao izaoresabe amin'izao fotana izao momba ny didy mandrara [4]ireo tsy silamo amin'ny fampiasana ny teny hoe Allah hiantsoana an'Andriamanitra. Mbola any amin'ny fitsarana io raharaha io amin'izao.

Tsy mankasitraka ilay fandraràna ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra. Tsipihin'izay ireo fa tokony ho nangataka tamin'ny mpamoaka ilay tantara fotsiny ny mpitondra mba hanova ilay dikanteny. Ireto misy tora-po [5] vitsivitsy avy amin'ireo tranonkalam-baovao “Malaysiakini”:

Relevancy: Maninona no nosivanina ilay boky rehefa azo atao ihany ny mangataka ny fanovana ny teny ? Moa ve heverina fa voarara daholo ny zavatra rehetra fa tsy aleo ve mangataka fanaovana asa fanitsiana ? Karazana Ministera inona ary ity ananantsika ity ?

BernieBaby: Ultraman, tena faran'izay mila ny asanao izahay. Mbà vonjeo re i Malezia. Manana olon-doza mifehy ny governemanta izahay.

Not Smart: Vahaolana tsotsotra foana no ataon'ny mpitondra anay. Matahotra ny (na angamba tsy afaka) hiasa mafy sy hieritreritra amim-pahakingan-tsaina mba hanome malaky/ hanitsy resaka/ olana. Amin'ny ankapobeny ny fomba tsotra indrindra hatrany dia ny mamono/mandrara/manova na mamorona lalàna sy fitsipika vaovao.

Tratra aoriana ny fandraràna ny #ultraman [6], noheveriko fa hanihany.

Ny hany anton'ny fandraran'ny KDN ny Ultraman; Ny fitondrany akanjo manara-bàtana sy ny tsy fitoviany amin'ny Superman akory ao anaty akanjo manara-bàtana.

Mandritra izany fotoana izany no anesoan'i [10]L.A.M. ny didy hisivanana ireo tantara an-tsary hafa :

Satria aho mpanohana ny fiarovana ny maoralim-bahoaka, dia te-hanolotra soso-kevitra fanampiny ho azy ireo aho momba ireo zavatra hafa ankamamian'ny fahazazana azon'izy ireo raràna mba hanamarinana ny isany sy ny karamany.

Jasmine: Mamporisika amin'ny fifandraisana amin'ny mpangalatra. Tokony horaràna ihany koa ny vaninteny 2 voalohany amin'ny Aladdin.
Mulan: Mamporisika amin'ny fifamadihana fomba fiakanjo sy ny ‘transsexualisme’ ( tsy fanekena ny taovam-pananahan'ny tena)
Pocahontas: Jereo inona no itafiany ? Zavatra mahamenatra ny vahoaka iny.
Ary koa ny heroines dia litera 2 tsy itovizany amin'ny heroin, zava-mahadomelina voarara any Malezia.

Mitebiteby ny amin'ireo fifandimbiasan-tantara ratsy any Malezia, toy ny haintany, ny tsy fahitana ny fiaramanidina MH370 [11] ary ny fandraràna ny Ultraman i Kevin Tan :

Zavona, dengue (tazo mahery), tsy fahampian-drano, haintany, amin'izao fotoana izao MH370. Fa nahoana no mitranga amintsika iree zava-dratsy rehetra ireo ? Mitandrema amin'ny ataontsika

Mampahatsiahy ny mpiserasera i Ariff Iman Anuwi fa fanontàna tantara an-tsary iray ihany no voarara :

Fa nahoana ny olona no dondrona e ? Ny boky iray natonta ihany no voarara fa tsy i Ultraman.