- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Mizaha Vorona any Atsimon'i Philippines

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Tsidika
Pied Triller. Photo by Arnold Alamon. [1]

Volondavenona. Saripikan'i Arnold Alamon.

Misy 600 mahery ny karazam-borona ao amin'ny nosy miisa 7000 an'i Philippines izay midika fa betsaka ny fotoana ahafahana mijery ny hakanton'ireo zavaboary manidina ireo. Fanampin'izany, mety ahitana vorona mpifindramonina ihany koa amin'ireo vondro-nosy izay andalovan'ny lalam-pisidinana mampitohy an'i Azia sy Pasifika. Saingy mampalahelo, ahiana [2] ho potiky ny tetikasam [3]-pampandrosoana mihetaketaka sy ny fahapotehan'ny tontolo voajanahary ny fonenam-borona.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, lasa mihoatra noho ny fanalan'andro manerana ny firenena omanin'ny mpankafy sy ny manampahaizana ny fizaham-borona [4]. Navitrika tamin'ny fisoloambava ho fiarovana ny tontolo masin'ny vorona ankoatra ny fanentanana fanairana momba ny fiainan'ny vorona mpirenireny ao amin'ny firenena ihany koa ny “Birders” (mpankafy vorona).

Herinandro vitsivitsy lasa izay, nahatontosa soa aman-tsara ny fetiben'ny vorona [5] tao an-tanànan'i Zamboanga, miorina any amin'ny faritra atsimon'ny nosy Mindanao ny Club-n'ny voromanidina ao Phillipines. Mety ho malaza ho tanàna mampididoza i Zamboanga (malaza tamin'ny vaovao tamin'ny herintaona nanafihan'ny [6] mpioko mitam-piadiana tanàna ambanivohitra maro sy nakan'izy ireo takalon'aina izy), saingy fonenam [7]-borona anjatony ihany koa, ka ao anatin'izany ny vorona mpifindramonina toy ny sidintsidin'i Pasifika.

Nanoratra momba ny karazam-boromanidina tsy fahita firy tao Zamboanga [8] ny iray amin'ny mpanomana ny fetibe antsoina hoe :

I also got a lifer while guiding! I saw my first dark phase Eastern Reef Egret! Sadly, it didn't go out into the open but flew into the dense mangroves to hide. But I did get a good look at the whole bird as it glided out of sight.

So, I got three lifers in four hours birding in Pasonanca. I was also able to hear the Mindanao Hawk Owl and Everett's Scops Owl when I joined an owling trip a few days earlier in the area too. The Pasonanca Natural Park is such a wonderful place to go birding in. The place and bird life is amazing (and the trails are easy!) I really, really loved the time I spent there. We will definitely be back and spend more time discovering more of the forest. And besides, I've dipped on the White-eared Tailorbird there twice!

Nahapika “zavamananaina” aho tamin'izaho nitari-dalana ny hafa! Sambako aho nahita Voronomby (fantatsika amin'ny hoe vorompotsy na mety ho vano koa) Tatsinanana miloko Matroka! indrisy moa fa tsy nivoaka teny ankahalalahana izy fa nanidina nankany amin'ny alan-konko matevina mba hiafina. Saingy hitako [azoko manontolo] ilay voromanidina tamin'ny fotoana hitsoriahany mankany amin'ny tsy hita maso.

Izany hoe, nahapika “zavamananaina” telo aho nandritra ny ora efatra nizahako vorona tao Pasonanca. Afa-nandre ny hiakam-borondolo-voromahery Mindanao sy vorondolo kelikely Everett aho raha nanao fitsangatsanganana nizaha vorondolo tao amin'ny faritra ihany andro vitsivitsy talohan'izao. Tena mahafinaritra tokoa ny Valan-Javaboary Pasonanca raha hizahana voromanidina. Tena mahavariana tokoa ny toerana sy ny fiainam-borona ao (ary mora ihany koa ny lalana!) Tena ankafiziko dia ankafiziko tokoa ny fotoana laniko tany. Mbola hiverina tanteraka any izahay ary handany fotoana betsaka kokoa hijery zavatra bebe kokoa any an'ala. Ankilan'izany, indroa nifanena (nifanondraka) tamin'ny vorona fotsisofina aho tany!

Ravoravo ihany koa izy mahita akanim [9]-boropotsy (voronomby) lehibe, zavatra tsy dia fahita loatra ao amin'ny firenena:

Of course, our bins were automatically drawn to the cluster of nesting Great Egrets which makes the fishponds an important birding site. The occurrence of breeding Great Egrets there is a great subject for further study!

Mazava loatra fa nitodika ho azy tany amin'ireo vondron'akanim-boropotsy lehibe izay mahatonga ny kamory ho toerana manandanja ho an'ny fiainam-borona ny boatim-[pakantsari]nay. Lohahevitra lehibe ho amin'ny fanadihadiana lalina kokoa ny fahitana ankanim-boropotsy lehibe eto!

Great Egrets in a school fishpond in Zamboanga. Photo by Angela Colmenares-Sabino [10]

Vorompotsy eo amin'ny kamorin'ny sekoly ao Zamboanga. Saripikan'i Angela Colmenares-Sabino

Angela, iray amin'ireo delegasionan'ny fetiben'ny vorona, nizara video [11] (lahatsary) Facebook-n'ny voromaherim-bibilava hitany tao amin'ny dobo Intake ao Zamboanga.

Mandritra izany fotoana izany ny mpampianatra amin'ny oniversite, ny profesora Arnold Alamon namoaka sarin'ny vorona ao Gitagum, ao amin'ny nosy Mindanao ihany koa. Ny tanànan'i Gitagum dia manakaiky an'i Laguindingan, toerana misy ny seranampiaramanidina iraisampirenena. Indreto ny sasantsasany amin'ny sarim-borona ao amin'ny pejy Facebook an'i Arnold:

Olived-Backed Sunbird. Photo by Arnold Alamon [12]

Soimanga volon'oliva. Saripikan'i Arnold Alamon

Robin Magpie. Photo by Arnold Alamon [13]

Fitatra. Photo by Arnold Alamon

Yellow Vented Bulbul. Photo by Arnold Alamon [14]

Tsikirovana Mavo (Bulbul). Saripikan'i Arnold Alamon

Coppersmith Barbet. Photo by Arnold Alamon [15]

Vintsy manjavasoka. Saripikan'i Arnold Alamon

Pied Fantail.  Photo by Arnold Alamon [16]

Togon-draozy. Saripikan'i Arnold Alamon

Fanamarihan'ny mpandika teny amin'ny teny malagasy, mety hisy fahadisoana ny anaram-borona amin'ny teny malagasy ka irariana indrindra ny hanitsianareo eo amin'ny fanehoan-kevitra izay voromanidina fantatrareo anarana amin'ireo sary ireo.