- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsipahin'i Shina Ny Fampitahana Amin'ny Ady Lehibe Voalohany Ny Fifanenjanany Amin'i Japan

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana
Japan China

Pikantsary avy amin'ny Youku. Minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa Wang Yi niresaka ny fifandraisana Sino-Japan nandritra ny valandresaka tamin'ny 8 Marsa 2014 tao Beijing

Nitsangam-bolo [1] indray i Shina tamin'ny fampitahana ny fifandroràna ataon'ny fireneny amin'i Japan amin'ny fifandraisana nisy teo amin'i Britaina sy Alemaina talohan'ny ady lehibe voalohany, nilaza fa tokony hanaja ny “fahatsiarovantenan'ny olombelona manerantany” sy ny “tsipika ambany indrindra eo amin'ny fifanarahana iraisampirenena” ny Japoney mpitam-pahefana.

Tao anatin'ny fanontaniana sy valiny [1] efa voalahatra tsara tamin'ny asabotsy 8 marsa ny minisitra Shinoa misahana ny raharaham-bahiny Wang Yi no nitsipaka ny fampitahana ary niteny hoe : “2014 anie ka sady tsy 1914 no tsy 1894, Tsara ho [an'i Japan] ny mijery an'i Alemaina taorian'ny ady ho maodely fa tsy mahabe raharaha tahaka an'i Alemaina talohan'ny Ady Lehibe Voalohany.”

Nianatra tany amin'ny oniversite japoney i Wang [2] ary ambasadera shinoa tany Japan teo aloha. 

Miakatra ny maripanan'ny fifanenjanana eo amin'i Shina sy i Japan rehefa nifanakatom-baravarana mifanditra amin'ireo nosy ao amin'ny Ranomasina Atsinanan'i Shina fantatra ho Diaoyu any Shina sy Senkaku any Japan ny roa tonta.

Tamin'ny kabary fanokafana tao Davos tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nahavaka ny nanatrika teo ny praiminisitra japoney Shinzo Abe tamin'ny fampitovitovy ny fifandraisan'i Shina sy Japan tamin'ny fifandranitan'i Britaina sy Alemaina talohan'ny ady lehibe voalohany, fampimirana zotra izay niteraka fanehoa-pihetseham-po matanjaka avy tamin'ny diplaomaty shinoa.  

Tamin'ny Desambra lasa teo, nahavinitra an'i Shina i Abe taorian'ny nitsidihany ny fasan'ny miaramila izay ahitana ihany koa ireo voaheloka bevava tamin'ny ady lehibe faharoa.

Ananana tahirin-kevitra maro dia maro eo amin'ny bokin-tantara Shinoa sy ny tantara an-tsehatra amin'ny fahitalavitra ny fihetraketrahana nataon'ny tafika Japoney tany Shina. Nipoaka [3] tany amin'ny tanandehibe shinoa maro, tamin'ny 2012, ny fihetsiketseha-panoherana be mpandray anjara rehefa novidian'ny governemanta Japoney tamin'olo-tsotra tompony ny nosy. 

“Momba ny tantara sy ny fiandrianam-pirenena, misy ny efitrano hanaovana marimaritra iraisana,” hoy i Wang Yi amin'ny mpanangom-baovao. 

Niteny tamin'ny mpanangom-baovao ihany koa i Wang fa hanohy ny fanantanterahana politikan-draharaham-bahiny mandray ny andraikitra ho azy tenany ny fireneny amin'ity taona 2014 ity. 

Tamin'ny herintaona i Shina nametraka fari-piarovana an-habakabaka eo ambony atsinanan'ny ranomasin'i Shina ary mangataka amin'ny fiaramanidina rehetra miserana eo hameno ny taratasin'ny lalam-pisidinana. Notsikerain'ny Tandrefana [4] sy i Japan [5] ho fanapaha-kevitra samirery izany fihetsika izany, saingy narovan'ny fitondram-panjakana [6] shinoa sy ny vahoaka mafy dia mafy.

Tsara fandray ny fanehoan-kevitr'i Wang ny fiarahamonina an-tseraseran'i Shina.

Nie Weiping, Shinoa mpilalao Echec malaza, nanoratra [7] tao amin'ny mpanao raharaha (servisy) famahanam-bilaogy bitika Sina Weibo:

与其拿一战前的德国来做文章,不如以二战后的德国来作榜样。只有认真清算过去,不再出尔反尔,才能走出僵局,开辟未来。————说得真好,到位! 

Tsara ho [an'i Japan] ny mijery an'i Alemaina taorian'ny ady ho maodely fa tsy mahabe raharaha tahaka an'i Alemaina talohan'ny Ady Lehibe Voalohany. Rehefa mieritreritra lalina ny lasany irery ihany [i Japan] ary mitazona ny voadiny vao afa-mandrava ny tsi-fiovàna isika ary manangana hoavy tsaratsara kokoa—— Izay mihitsy, ao tsara!

Naneho hevitra [8] i Huang Shengyou:

 王毅这个回答,很给力!

Matanjaka be ny valinteny avy amin'i Wang Yi!

Sunshine Aiwei nanoratra [9]:

外交部部长王毅回答的太精彩!!点赞!!!2014不是1914,更不是1894!!

Nahafinaritra ny fanehoa-kevitra avy amin'ny Minisitry ny Rahafaham-Bahiny Wang Yi!! Manaja tanteraka!! 2014 anie ka sady tsy 1914 no tsy 1894!! 

Xishuai Conglai Bumaimeng, mponina avy ao atsimo andrefana Guangxi, nahita  [10]ny olana avy amin'ny zoro hafa:

二战后的德国,进北约,建军队,出口军备,日本学哪一样中国的小心脏都受不了啊 

Niditra tao amin'ny OTAN i Alemaina ary nanangana ny tafiny taorian'nyAdy Lehibe Faharoa, ary nanomboka nivarotra fitaovam-piadiana ihany koa. Izay mety nianaran'i Japan tamin'i Alemaina dia tsy hoeken'i Shina loatra.