- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela : Inona No Lazain'Ireo Mpomba Ny Fitondrana Mikasika Ny Hetsi-Panoherana ?

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Raha mbola mitady làlana mba hitazonana ny elanelana sy hanohizana ireo hetsi-panoherana [1]any amin'ireo faritra maro samihafa ao amin'ny firenena ny mpanohitra, ireo mpomba ny fitondran'i Nicolas Maduro kosa dia mandefa sary hosoka sy mametra-panontaniana ao amin'ny aterineto ny amin'ny eritreritr'ireo mpanao fihetsiketsehana. Angatahin'izy ireo ihany koa ny fisamborana , ny fitondrana azy ireo hotsaraina manoloana ireo fanakorontanana sy faharavan-javatra vokatr'ireo hetsi-panoherana sasany. 

Araka izany dia misy firehana roa lehibe ao amin'ny haino aman-jery sosialy, izay mazàna mitovy foto-kevitra.

Tena sarotra ny mahafantatra ny fomba fijerin'ireo lafy roa ireo, noho ny hamaroan'ny fomba fijery sy ny fepetran'ireo vondrom-piarahamonina maro isan-karazany. Trandrahanay amin'ity santionany ity ny fomba fijerin'ireo mpomba ny fitondrana izay naparitaka tamin'ny aterineto nandritra ny herinandro maromaro lasa nisian'ny hetsika. 

Ambaran'i Indira Carpio ao amin'ny bilaoginy [2] sy ny Twitter ny ” fifanoherana hita” :

Hetsi-panoherana ho an'ny fahalalahana ; sambory miaraka amin'ny guarimbas [hetsi-panoheranan misy sakana/ fifandonana eny an-dàlambe] ny mpifanolo-bodirindrina aminareo.

Ny Guarimbas [6] [es] no toerana izay ivorian'ireo vondron'ny mpanohitra hanaovana hetsika. Mametraka sakan-dàlana ry zareo : mampiasa fitaovana tsy ahafahana mivezivezy amin'ny làlana ry zareo, indraindray mandoro kodiarana, na zavatra hafa.

Zarain'i Delcy Rodríguez, Ministry ny Serasera sy ny Filazam-baovao Venezoelana amin'ny Twitter ity sary ity :

Tandremo ny amin'ireo andianà mpikarama an'ady milaza ho Chavistas [mpomba an'i Hugo Chavez filoha teo aloha] manafika tanàna.

Izao no lazain'i María Fernanda, amin'ny fanajàna ny hevitry ny mpanohitra :

Mandany andro amin'ny fanaovana ny tantara momba an'i Chavez izay hany inoany ny mpanohitra.

Izao kosa no ambaran'i Alejandro Salcedo :

Nicolas Maduro no filoha araka ny lalàm-panorenana voafidin'ny vahoaka Venezoelana

Ary mitatitra i Gabriel López :

Taorian'ny nahitako ireo zavatra izay nandramako nilaozana  La Urbina, TSY MISY OLONA afaka hilaza amiko fa misy ilàna azy ny guarimba.

Tantarain'i Nicmer Evans amin'ny antsipirihany ao amin'ny bilaoginy [18] ny fototry ny olana

Más allá de los señalamientos estériles entre un bando y otro, si uno dice que él otro es responsable, y viceversa, entonces o la culpa es de la vaca, o hay un tercer factor o “factor x” que está jugando a la desestabilización, al caos y a generar una confrontación que la mayoría de la población considera estéril.

Me atrevo a afirmar que existe un “Factor X” infiltrado en todos los sectores políticos que está jugando a la confrontación, que incita al odio, que desborda la institucionalidad. Por un lado se ha activado una violencia estimulada por el odio y que ha encontrado en algunos estudiantes un recurso gratuito, para aportar la sangre que necesita el Factor “X” para sus objetivos, y por el otro lado, excesos policiales que han dado alimento al Factor “X” para que la confrontación adquiera potencia en el escenario internacional. Pero si es así, también existe complicidad de quienes no terminar de develar a los responsables de bando y bando.

Ankoatra ny fifampiampangana tsy misy vokany eo amin'ny roa tonta, raha milaza ny maha-tompon'andraikitra ilay hafa ny iray, na ny mifamadika amin'izay, dia [azontsika] omena ny ombivavy ny heloka ; na misy antony fahatelo na “x”  lalaovina manodidina ny fanozongozonana, ny fanakorontanana, ary ny famoronana tsy fifankahazoana izay heverin'ny ankamaroan'ny vahoaka fa tsy misy vokany.

Sahiko ny milaza fa misy “antony x” tafiditra amin'ny sehatra politika rehetra izay mikononkonona tsy fifankazahoana, manentana ny fifankahalana, ary fanasemporana ny andrim-panjakana. Amin'ny lafiny iray dia nitondra herisetra atosiky ny fankahalana ilay izy ary nahita tany amin'ny mpianatra sasany, loharanom-baovao malalaka —mamatsy rà izay ilain'ny “Antony X ” hanatrarana ny tanjony, ary amin'ny lafiny iray hafa dia ny fanararaotana ataon'ny mpitandro filaminana hamahanana ny “Antony X ” mba hahatongavan'ny fifandonana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Raha izany no marina dia misy firaisana tsikombakomba eo amin'ireo izay tsy manàla sarona ireo izay tompon'andraikitra amin'ny andaniny sy ny ankilany. 

Farany, manolotra volavolan-kevitra vitsivitsy izay heveriny fa laharam-pahamehana ny mpanoratra :

Una propuesta urgente: Una Alianza Popular Revolucionaria de Rectificación Socialista y Chavista, que permita una verdadera recomposición de las fuerzas políticas a lo interno y de resistencia ante la arremetida contrarrevolucionaria, una “revolución dentro de la revolución” encabezada por usted. Aún hay tiempo camarada.

Tolo-kevitra maika : Ny fiaraha-miasan'ny Vahoaka te hiova ho fanitsiana ny Sosialista sy ny Chavista izay ahafahana manamboatra ireo hery politika anatiny, sy ny fanoherana ireo manohitra ny fiovana, ny ” fiovana anaty fiovana” tarihinao. Mbola fotoana izao ry akama.