Ny zavatra miiba voasoratra ao amin'ny lahatsoratra momba ny fihaonana, dia ny nanamboamboaran'ny [2] gazety mpandala ny nenti-pahazarana Javan ny sary namafana an'i Gohar Eshghi, renin'ny bilaogera Sattar Beheshti [3], izay maty nandritra ny fampijaliana nataon'ny polisy tao an-tranomaizin'ny kaomisarià tamin'ny 2012.
Namoaka [4] ny sary roa miaraka amin'ny fanazavana taty aoriana ny Javan, nilazany fa nosivaniny ny sary hialana amin'ny tsikera mametraka ny reny efa betaona an'ilay bilaogera ho “mpampisara-bazana”.
Tapany Saddam, tapany Ashton
Mohammad Hassan Najmi nisioka [5] sarim-praopagandy amin'ny takelaby ahitana ny tavan'i Ashton notapahina sy nampitohizina amin'ny tavan'i Saddam Hussein.
نصب پوسترهایی در تهران که نیمی از آن چهره #اشتون [6] و نیم دیگر چهره صدام است. pic.twitter.com/SRFFCcVhZm [7]
— Mohammad Hasan Najmi (@mnajmi64) March 12, 2014 [8]
Tao Tehran, nisy afisy sasantsasany mipetaka amin'ny takelaby mandrafitra ny ila-tavan'i Ashton amin'ny ila-tavan'i Saddam Hussein [9] [filoha Iraqi teo aloha iza nitarika ady tamin'i Iran nandritra ny taona 1980-88].
Manao sivana ry zareo satria matahotra
Mehdi Mohseni nisioka [10] sarim-pananihaniana ny nanapahana ny sarin'ny renin'i Sattar Beheshti:
سانسورت مىكنند چون از حقيقت مىترسند! #ستار [11] بهشتى #اشتون [6] pic.twitter.com/9XhZ97eOFu [12]
— Mehdi Mohseni (@mehdimohseni) March 12, 2014 [13]
manao sivana ry zareo satria matahotra.
Mohammad Moni nisiokantserasera [14] tamin'ny 11 Marsa amin'ny tahaka ny fisian'ny firaisana tsikombakomban'ny eo amin'ny fitondrana amin'ny fihetsiketseham-panoherana:
گروهی از «دانشجویان» در اعتراض به «اقدام خارج از عرف» #اشتون [6]، در برابر سفارت #اتریش [15] تجمع میکنند/توجه: تو این مملکت آببازی هم مجوز میخواد
— محمّد معینی (@mmoeeni) March 11, 2014 [16]
Mpianatra maro manao fihetsiketsehana manohitra ny fihaonan'i Ashton amin'ny mpikatroka eo anoloan'ny Masoivohon'i Autriche. Tadidio ao an-tsaina fa mila fahazoan-dalana ianao na dia amin'ny adi-rano aza eo. [olona maro no voasambotra rehefa nilalao ady rano [17] teny ampahibemaso tamin'ny 2011]
“Rtoa Ashton, Iran anie ka tsy Ukraine”
Nisy vondron'olona vitsy maherivaika nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Masoivohon'i Autriche. Ny iray amin'ireo manao hoe: “Rtoa Ashton, tsy Okraina aty.”
Ity no fitsidihana voalohany nataon'ny lehiben'ny vaomieran'ny raharaham-bahinin'ny Vondrona Eoropeana tao Iran hatramin'ny2008.