- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Hita Ny Nanjavonan'ilay Fiaramanidina Maleziana Nitondra Mpandeha 239

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina
Malaysian Airline. Flickr photo by planegeezer (CC License) [1]

Zotra an'habakabakaba Maleziana. Sary Flickr avy amin'i planegeezer (CC License)

Nitatitra ny fampahalalam-baovao iraisampirenena tamin'ny Asabotsy 8 Martsa fa zotra an'habakabaka Maleziana hiainga ho any Shina no tsy hita popoka. Sidina MHO370 avy ao Kuala Lumpur ho any Beijing no tsy afa-nifandray intsony tamin'ny mpanaramaso ny fitaterana an'habakabaka, ka tsy mbola mahafantatra ny toerana mety misy ny fiaramanidina hatramin'izao ny zotra an'habakabaka sy ireo manampahefana. Nitondra mpandeha 227 sy mpiasan'ny zotra an'habakabaka 12 ny fiaramanidina.

Araka ny filazan'ny gazety The Guardian [2], tapaka fifandraisana tamin'ny radara tao amin'ny lalana an'habakaka vietnamiana ilay fiaramanidina.

Tsy nitsahantra nandefa vaovao mikasika ny zava-mitranga ilay zotra an'habakabaka hatrany ny manampahefana, anisan'izany ny fanambaran'ny [3] filoha tale jeneraliny Ahmad Jauhari Yahya:

We deeply regret that we have lost all contacts with flight MH370 which departed Kuala Lumpur at 12.41 am earlier this morning bound for Beijing. 

The aircraft was scheduled to land at Beijing International Airport at 6.30am local Beijing time. 

Subang Air Traffic Control reported that it lost contact at 2.40am (local Malaysia time) today. 

Flight MH370 was operated on a Boeing B777-200 aircraft.

The flight was carrying a total number of 239 passengers and crew – comprising 227 passengers (including 2 infants), 12 crew members. The passengers were of 13 different nationalities. 

Malaysia Airlines is currently working with the authorities who have activated their Search and Rescue team to locate the aircraft.

Our team is currently calling the next-of-kin of passengers and crew.

Malahelo izahay milaza fa tapaka tanteraka ny fifandraisanay amin'ny sidina MH370 izay niala tao Kuala Lumpur tamin'ny 12.41 androany vao maraina ho an'i Beijing.

Tokony higadona ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Beijing ny voromby amin'ny 6ora sasany (ora ao an-toerana [Beijing]).

Nilaza ny mpanara-maso ny fitaterana an'habakabaka Subang fa tsy afa-nifandray taminy intsony androany tamin'ny 2:40 maraina (ora ao Malezia).

Nandeha Boeing B777-200 ny sidina MH370

Nitondra mpandeha mitotaly 239 miaraka amin'ireo mpiasa an'habakabaka ny fiaramanidina – ka mpandeha 227 (zaza 2), ary mpiasa an'habakabaka 12. Mizaka zom-pirenena 13 samihafa ireo mpandeha.

Miara-miasa amin'ireo manampahefana izay efa nandefa ny ekipany mpanao fikarohana sy mpamonjy voina hitady ny toerana misy ilay fiaramanidina ny Zotra Maleziana ankehitriny.

Eo am-piantsoana ireo havana sy namana akaikin'ireo mpandeha sy mpiasa an'habakabaka ny ekipanay amin'izao fotoana izao

Nilaza ny Fanambarana an-gazety [4] hafa avy amin'ny zotra an'habakabaka fa 18.365 ora ny fitambaran'ny sidina vitan'ilay Zaharie Ahmad Shah.

Maro ireo naneho ahiahy sy tebiteby tao amin'ny Twitter: 

Efa imbetsaka nandray sidina ny Zotra Maleziana @MAS, anisan'izany ny iray amin'ireo fiaramanidiny 777-200 avy ao KL ho an'i Shanghai. Miombo-po amin'ny rehetra amin'izao fotoan-tsarotra izao.

Misy vaovao milaza fa nisy fiaramanidina Maleziana iray nianjera saingy mbola tsy nisy fanambarana ofisialy

Ny fanjavonan'ity sidina zotra an'habakabaka Maleziana mihitsy no mahantonga ahy matahotra rehefa mitaingina fiaramanidina-Jonathan

Manantena am-pitaintainana fa tsy nianjera ny zotra an'habakabaka Maleziana ary avotra soa aman-tsara ireo mpandeha 239 ao anaty voromby

Vaovao mampivarahontana hoan'ny indostrian'ny zotra an'habakabaka sy ireo olona tao anatin'ny fiaramanidina! BBC News- tsy afaka nifandray tamin'ilay fiaramanidina hisidina ho an'i Beiing intsony ny zotra an'habakabaka Maleziana

Naneho hevitra haingana manoloana ity loza ity ihany koa tao amin'ny Twitter ny praiminisitra Maleziana, Najib Razak:

Miombom-pò sy mivavaka hoan'ny fianakavian'ireo olona ao anatin'ny sidina #MH370. Nangataka aho mba handray izay fepetra rehetra azo raisina.

Nitatitra [15] ny Reuters amin'izao fotoana izao fa nianjera tao amin'ny ranomasina Atsimon'i Shina ny fiaramanidina, saingy mbola tsy nisy fanambarana ofisialy amin'izao fotoana hanoratana izao.