Mitsinjaka Sady Faly I Koety

Ravo i Koety fa manana ny kinovany azy manokana amin'ilay hira an-dahatsary “Happy” an'i Pharrell. Ny lahatsary eto ambany, izay manasongadina ny fandraisana anjaran'ireo olom-pirenena sy mponina maherin'ny 150, dia hevitra avy amin'ny tale Taibah AlQatami ary novokarin'ilay mpilalao horonantsarimihetsika Mohammed Al Saeed.

Araka ny filazan'ny @Loft965:

The intention was to reengineer Pharrell’s “Happy” song into an effective message locally by filming specified locations within the city as well as reintroducing “Free Kuwait” t-shirts which were worn during the Gulf War as people were demanding the liberation of their country. Today the youth are maintaining the atmosphere of liberation in spreading positivity and celebrating freedom of expression.

Ny fikasana dia ny hanavao ilay hira “Happy” an'i Pharrell anaty hafatra mahomby hoan'ny faritra amin'ny alalan'ny fangalàna horonantsary aminà toerana voafaritra ao an-tanàna ary koa ny hampidirana indray ny t-shirt “Afaho I Koety” izay notafiana nandritra ny Adin'ny Helondrano tamin'ny vahoaka nitaky ny fahafahan'ny fireneny. Ireo tanora ankehitriny no manohy ny hetsi-pahafahana amin'ny fanaparihana zavatra tsara sy fankalazàna ny fahalalaham-pitenenana.

Noafahan'ny mandatehezana notarihin'i Etazonia i Koety tamin'ny Febroary 1991, taorian'ny fananiham-bohitra Irakiana naharitra valo volana.

Tao amin'ny Twitter, Nasser AlQatami nanamarika hoe:

Olona 54000 no nijery ary mbola mitohy ny fanisana! Andeha hotohizana handroso! Tsindrio ny: http://t.co/IgGFm8IMVc. #HappyQ8

Huda Aldakheel kosa nilaza hoe:

Mandihy miaraka amin'ilay lahatsary mandritra ny alina ny #HappyQ8. Misaotra anao, mahavariana @Nasque; Huda Saleh Aldakheel (@ HudaSSD) 7 Marsa 2014

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.