Sorprende decisión del Gobierno de Venezuela. Panamá solo anhela que ese hermano país encuentre la paz y fortalezca su democracia
— Ricardo Martinelli (@rmartinelli) March 5, 2014
Fanapaha-kevitra nahavalalanina avy amin'ny Governemantan'i Venezoelà. Ny hany mba fanantenan'i Panama dia ny hahitan'ny firenena namana filaminana sy hahamafy orina ny demaokrasiany.
Izay no fomba nanehoan'ny filohan'i Panama ny fihetseham-pony manoloana ny nahitany ny fanapahan'ny governemanta venezoelana ny fifandraisana amin-dry zareo.
Nanambara ny filohan'i Venezoelà, Nicolas Maduro, fa tsy hamela na iza na iza hitsikombakomba hamelezana an'i Venezoelà ary niampangàny ny Filoha Martinelli ho “mpanompon'andriana sy menarana.” Ny fiampangàna dia mifototra amin'ny fangatahan'ny governemanta Panameanina hihaonan'ny Vaomiera maharitry ny governemanta OAS (Fikambanan'ny Firenena Amerikanina) hiresaka momba ny fifandirana anatin'i Venezoelà.
Nahitana esoeso sy fahatezerana noho ny nataon'ny governemanta Amerikana Tatsimo ity ny fihetsehampo tao amin'ny tambajotra sosialy. Tsapan'ny ankamaroan'ny Panameana fa sahisahy ihany ny Filoha Maduro manapaka fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-barotra amin'i Panama i Venezoelà nefa ananan'ny Faritra Ara-Barotra Malalaka ao Colón trosa anelanelan'ny $800 tapitrisa ka hatramin'ny $1 miliara dolara Amerikana. Miteny i Charlie Cuevas:
Que cómodo romper relaciones comerciales #Venezuela cuando le debes 1,000 millones de dólares a #Panama #SOSvenezuela
— Charlie Cuevas (@CharlieCuevas) March 5, 2014
Metimety aminareo ve izany ry Venezoelà ny manapaka fifandraisana ara-barotra amin'i Panama raha mila mandoa vola iray miliara dolara aminy ianareo
Ho an'ny mpiserasera hafa, ny governemanta Panameana no mendrika bedesina nitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny firenena hafa.
Que hace el Gob de Panamá opinando y metiendose en los asuntos internos de Venezuela?
— Dreetti RiDdiM (@An_Dreetti) March 5, 2014
Fa inona ny ataon'ny Governemantan'i Panama manome hevitra sy mitsabaka amin'ny raharaha anatin'i Venezoelà?
Nanazava ny toe-draharaha i Erick Javier fa ny vahoaka hany afa-miantso ny Filoha Ricardo Martinelli ho “mpanompon'andriana” sy “menarana” dia ny Panameana:
El unico que puede llamar lacayo y rastrero a Martinello somos nosotros los Panameños @ElGallinazo
— Erick Javier ™ (@ErickJavier21) March 5, 2014
Ny vahoaka hany afa-miantso an'i Martinelli ho mpanompon'andriana sy menarana dia izahay Panameana
Tahaka izany ihany koa, nanameloka ny tranga sy ny fomba nitondrana azy ny filohan'i Panama teo aloha Ernesto Perez Balladares:
Yo adverso al Pdte. Martinelli pero no puedo aceptar que contra él ni contra ningún panameño se utilicen insultos impropios de un mandatario
— Pérez Balladares (@PerezBalladares) March 5, 2014
Tsy mitovy hevitra amin'ny Filoha Martinelli aho saingy tsy manaiky ny ompa diso toerana atao aminy na Panameana hafa
Ho an'ny “Noticias sin censura” (“Vaovao tsy misy fanapenambava”), tsy mandeha ilalana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Venezoelana raha afarana sy mandalo amin'ny Lakandranon'i Panama ny entana maro fanjifa any Venezoelà:
Un país q importa 80% de lo q consume, casi todo pasando por Panamá, rompe relaciones económicas con ese país. Del carajo #5M #Venezuela
— #NoticiasSinCensura (@NotaSinCensura) March 5, 2014
Firenena manafatra ny 80 isanjaton'ny entana fanjifany, ary saika mandalo an'i Panama daholo izany rehetra izany no manapaka fifandraisana ara-toekarena amin'io firenena io. Fa ahoana lety e?
Nilaza ny heviny ny Venezoelàna Rocio San Miguel fa vao maika hampanahirana amin'ny tsy fisian'entambarotra efa zakain'i Venezoelà ilay fanapahana fifandraisana:
La ruptura de relaciones con Panamá complicará en extremo el ya problemático abastecimiento nacional por vía marítima
— Rocío San Miguel (@rociosanmiguel) March 5, 2014
Hanasaro-javatra araka izay zokiny amin'ny olan'ny fitateran'entana avy eny an-dranomasina ny fanapahana fifandraisana amin'i Panamà
Fredy Marcial nisioka momba ny lazaina fa fananiham-bohitra nangatahin'i Martinelli:
Presidente d Panamá es d la dinastía fam que apoyó la invasión de EE.UU a su pais por el canal, ahora ese lacayo pid que invada a Venezuela
— Freddy Marcial (@makeday) March 5, 2014
Ny Filohan'i Panama dia avy amin'ireo tarana-pianakaviana efa nitondra nanohana ny fananiham-bohitra nataon'i Etazonia ny fireneny tamin'ny alalan'ny lakandrano, ankehitriny ity mpanompon'andriana ity mangataka ny hanani-bohitra an'i Venezoelà
Ho famaranana, mihevitra ny Loholon'i Colombia Juan Lozano fa ny fihetsika avy amin'ny governemanta Venezoelàna dia marika fa efa misy fahakiviana sy fialan'aina ao:
Reacciòn de Maduro frente a Panamà deja ver la desesperaciòn, la angustia y la soledad tìpica de un règimen delirante a punto de colapsar.
— Juan Lozano (@JuanLozano_R) March 5, 2014
Ny fihetsik'i Maduro manohitra an'i Panama dia mampiseho fahadisoam-panantenana, fitaintainana ary ny fitokana-monin'ny fitondrana mirediredy andalam-pahapotehina