
“Dmitry Anatolyevich, mbola matory indray ve ianao? Dmitry Anatolyevich?” Sary navoakan'olo-tsy fantatra tao amin'ny aterineto.
Nifidy sehatra tsy nampoizina ny Praiministra Dmitri Medvedev, izay nangina manoloana ny toe-draharaha ao Okraina sy ny fiandrianam-pireneny raha tapa-kevitra ny hanao fanambarana amin'izay. Izy, na mety ho iray amin'ireo sekreterany, no nanoratra ilay lahatsoratra [ru] tao amin'ny kaonty Facebook-ny, izay efa nahangona fanehoan-kevitra maherin'ny 5.000, “tiako” 6.000 ary nozaraina in-3.000. Maromaro ny fanambarana nataony tamin'izany, ny hita fa hafahafa indrindra dia:
Да, авторитет президента Януковича практически ничтожен, но это не отменяет того факта, что по Конституции Украины он – легитимный глава государства.
Eny, tsy manana ny heriny ny fahefan'ny filoha Ianoukovitch, saingy tsy manova na inona na inona izany, satria araka ny lalàmpanorenana Okrainiana, izy no filoham-pirenena ara-dalàna.
Notohizany tamin'ny fanomezana soso-kevitra fa tokony hanala an'i Ianoukovitch eo amin'ny toerany ny Antenimiera Okrainiana, raha izany no tian'izy ireo atao. Nahatonga ireo mpisera Twitter haneho hevitra mikasika ny halezolezon'i Medvedev izany famariparitana (marina) momba ny fahefan'i Ianoukovitch izany.

Arnold Schwarzenegger sy Dmitriy Medvedev mifanakalo loha. “Kambana” mifamadika. Sary nataon'olo-tsy fantatra tao amin'ny aterineto.
Sioka iray niampita in-150 namazivazy hoe:
Дмитрия Медведева на время войны отвезли к бабушке
— AXT (@filin_pro) March 2, 2014
Nandritra ny ady, nijanona tany amin'ny renibeny i Dmitri Medvedev
Bilaogera hafa nisioka hoe:
И Медведев нашёл того, кто ещё более жалок, и всё пытается попрыгать на политическом трупе. http://t.co/OzLeSQS3zo
— Сергей Д (@sd0107) March 2, 2014
Nahita olona mbola mampahonena kokoa noho izy i Medvedev, ary miezaka manohy mitsambikina ao amin'ny [fahafatesana] politika.
Nanamarika ny sasany fa ny filoha ara-dalàna manana fahefana tsy mahavita azy dia “oxymore (zavatra roa mifanohitra) [ru].”
!["Don't worry Vic[tor], we've got this." Anonymous image found online.](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2014/03/1393607616_1158443527.png)
“Aza miahiahy Vic[tor], hitanay izany.” Sary navoakan'olon-tsy fantatra hita tao anaty aterineto.
России нужна сильная и стабильная Украина. Предсказуемый и экономически состоятельный партнер. А не бедный родственник, вечно стоящий с протянутой рукой.
Mila Okraina mafy orina sy matanjaka i Rosia. Mpiara-miasa azo fantarina mialoha sy matanjaka ara-toekarena. Fa tsy havana mahantra, miandry fanampiana hatrany.
Fanehoan-kevitra tsara (Eny, Manaiky aho “Marina ny Voalaza”) no niantombohan'ny valinteny tamin'ilay lahatsoratra, saingy vetivety dia nivadika tsikera hoan'ny fihetsiky ny Rosiana amin'i Okraina sy ny fitsabahana miharihary ao Crimea. Mbola tsy namaly na dia iray tamin'izany fanehoan-kevitra izany i Medvedev sy ny ekipany mifandray amin'ny gazety.