- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Dia Tsy Ho Adinointsika”: Lehilahy Rosiana Nigadona Tao Tajikistan Tamim-pahadisoana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Hehy, Mediam-bahoaka, Tsidika

Lehlahy Rosiana iray no nisafoaka androany rehefa nahita ny tenany tao Tajikistan fa tsy tao atsimon'i Rosia izay toerana heveriny higadonana. Nahatonga ny maro hihomehy ity vaovaon'ny mpandeha iray sendra diso sidina ity.

Araka ny filazan'ny sampam-pahalalam-baovao Asia-Plus [1] [ru], niala tao Yakutsk hisidina hoany an-tanàna atsimon'i Rosia Kurgan [2] mandalo Moskoa i Evgueni Samoshkin. Nividy tapakila diso sidina – mankany an-tanànan'i Kurgan-Tyube [3] ao atsimon'i Tadjikistan ity mpianatra 19 taona ity. Tsy natao fanamarinana fanindroany ny tapakilany, niakatra tao anaty voromby i Samoshkin ary nigadona tao Tadjikistan. Ny zavatra tena nahaliana dia tsy nahafantatra akory ity tovolahy ity alohan'ny nialàny tao amin'ny seranam-piaramanidina fa nigadona tao aminà firenena vahiny .

Fahadisoana: Kurgan-Tyube raha tokony ho Kurgan

Saika handeha hoany Kurgan ny namana Rosiana iray, kanefa lasa nigadona tao Kurgan-Tyube. Nahita Tadjik an'arivony izy ary nihevitra fa mbola ao Rosia.

Mety tezitra mafy ity ranamana ity rehefa nigadona tao Kurgan-Tube, Tajikistan raha tokony ho tao Kurgan ao Rosia.

 

Nigadona tao Kurgan-Tyube raha tokony ao Kurgan? Tena matotra ve izany? Ry namana, fa nifoka inona ianao talohan'ny sidina?

Nahafinaritra raha toa ka tonga saina izy raha nandalo ny sisintanin'i Afghan [tsy lavitry ny sisintany i Kurgan-Tyube]

Nandray fiaramanidina ho any Kurgan ny [namantsika] saingy nigadona tao Tadjikistan o_O XD. Izy no kintan'ny fampahalalam-baovaon'i Rosia amin'izao fotoana izao:-D

Dia tsy ho adinointsika