Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tajikistan Firenena Mahantra: Manafatra Hazo Lafo Vidy Avy Any Belzika

Nanapa-kevitra ireo manmpahefana ao Dushanbe, renivohitr'i Tajikistan, fa ireo hazo vahiny lafo vidy no tsara asolo ireo “sycamores” an'arivo taonany azerany isan-taona. Araka ny tatitra nataon'ny Ozodagon [ru], masoivohom-baovao iray ao an-toerana, dia hazo “chestnut” 3.000 no nafaran'ireo manampahefana avy any Belzika. Mitentina 1.500 dolara Amerikana ny vidin'ny hazo tsirairay, izany hoe mitontaly eo ho eo amin'ny 4.5 tapitrisa dolara izany ny vidin'ireo hazo nafarana ireo. 

Noho ny hatezerany tamin'ireo vaovao dia nanoratra ao amin'ny bilaoginy i Tomiris:

…Мы что живём по принципу “дорого = хорошо”?

Ответьте мне, ну какого х.. покупать такие дорогие деревья такой бедной стране? Чем их не устраивают бесплатные деревья, которые можно вырастить самим? 1500 долларов это средняя месячная пенсия 37 человек! Это средняя месячная зарплата 10 учителей или врачей!..

Мне одной кажется, что наше правительство окончательно е..нулось?

…Efa miaina ilay foto-pisainana hoe “lafo = tsara” ihany koa angaha isika ?

Misy afaka milaza amiko ve hoe nahoana t…y ny karazana firenena mahantra tahaka itony no mividy karazan-kazo lafo vidy ? Inona no tsy itiavana ireo hazo maimaim-poana izay azo volena eo an-toerana ? Vola fisotroan-dronono 37 isam-bolana no vitan'ny 1.500 dolara raha atao ny salan'isa! karamanà mpampianatra na dokotera 10 isam-bolana  !

Izaho irery ve no mihevitra fa miha-adala(-paty) ny mpitondra antsika ?

Nibitsika ilay tantara ihany koa i Tomiris, nampitselatra fanehoankevitra maro :

Nividy hazo “chestnut” 3.000 avy any Belzika ho an'i Dushanbe i Tajikistan. Mitentina hatrany amin'ny 1.500 dolara ny hazo tsirairay  #whatthefuck #insane #onlyintajikistan

Ho fampahafantarana : raha atao salan'isa dia vola fisotroan-dronono 37 isam-bolana na karamanà mpampianatra na mpitsabo 10 isam-bolana ny 1.500 dolara ( vidinà hazo iray)#onlyintajikistan

@tomiristj Manana Ben'ny tanàna tsy ampy fisainana sy mponina mitazam-potsiny i Dushanbe. Antenaiko mba ho velona any amin'ny helon'ny lohataona sy ny tsy fahaiza-mitantana ny tanàna ireny hazo ireny.

@tomiristj Ho hitanareo fa hividy tany manokana ho an'ireo hazo ireo ry zareo- 2.000 dolara isaky ny hazo.

@eTajikistan @tomiristj Oooay. Gaga aho, manontany tena aho hoe ohatrinona no holanian-dry zareo amin'ny bozaka hambolena ao ambanin'ireo hazo ireo.

@tomiristj Nahoana ry zareo no tsy maintsy manapaka ireo hazo mahafinaritra nandrobona be nitondra alokaloka ho fanombohana azy ity?! Famonoana ny tontolo iainana, heloka bevava no ataon'ny governemantan'ny tanàna…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.