- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hetsi-panoherana Tany Venezoela : Maty Voaatifitra Teo Amin'ny Lohany Ilay Mpanjakavavin'ny Hatsarana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Génesis Carmona, mpanjakan'ny hatsarana ao Venezoela, olona iray hafa niharan'ny herisetran'ny savorovoro politika.

Maty [4] tamin'ny 19 Febroary noho ny bala nahazo [5]azy teo amin'ny lohany ny omalin'io, nandritra ilay hetsi-panoherana [6]ny fitondrana, i Génesis Carmona, tanora Venezoeliana mpianatra sady mpanjakan'ny hatsarana.

Toy izao no nitondrana an'i Génesis Carmona, mpianatra iray, izay voatifitra teo amin'ny lohany raha nanao hetsi-panoherana tany Valencia.

Miresaka amin'ny fianakaviana sy ny renin'i Genesis Carmona izay misy bala ny lohany i @pabloaure ao amin'ny tobim-pitsaboana Guerra Mendez.

Araka ny nolazain'ny manam-pahaizana manokana izay nitsabo azy ao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Dr. Rafael Guerra Méndez ao amin'ny tanànan'i Valencia, dia voatifitra teo amin'ny faritra havanana aorian'ny mokon-dohany ilay Tompon'ny Hatsaran-tarehin'ny Fizahan-tanin'i Carabobo 2013, izay faritry ny atidoha miandraikitra ny fahitana. Azo heverina fa tsy hahita intsony izy naha ho sitrana aza.

Nivoaka ny trano fandidiana i Genesis Carmona (23 taona), voatifitry ny bala nandritra ilay hetsi-panoherana tany Valencia ary araha-maso akaiky amin'izao.

Namoaka ireo angona bitsika [14]avy amin'ny mpampiasa Twitter, Héctor Rotunda (@Hecalo [15]), izay mitantara ny zava-niseho nanomboka tamin'ny fotoana nahavoatifitra an'i Génesis Carmona mandra-pahafatiny ny gazety iray any Caracas. Teo amin'ilay toerana nisy ilay hetsi-panoherana i Rotunda sy ilay mpanjakavavin'ny hatsarana nodimandry. 

Tao anatin'ireo nanao fidinana an-dalambe teo anoloan'ny fiantsonan'ny “metro” Cedeño izahay. Nahare basy nipoaka lavareny izahay ka nandry tamin'ny tany…

Mitohy ny fanehoam- [17]pahatezerana sy ny fanamelohana ao amin'ny Twitter. Ny Governoran'ny Fanjakan'i Carabobo, Francisco Ameliach, no voalaza fa fototr'iny fanafihana ny hetsi-panoherana tany Valencia iny. Andro vitsivitsy lasa izay, nandefa hafatra tamin'ny Twitter ny Governora nilaza fa zatra miampanga azy ho mamporisika ny fampiasan-ker [18]y [18] ny mpanohitra amin'izao. [18]Amin'ity bitsika manaraka ity, ohatra, dia tononony ny UBCH [19][es], ny Bolívar – Vondron-tafik'i Chávez (Unidades de Batalla Bolívar – Chávez) an'ny Antoko Sosialista Mivondrona ao Venezoela (PSUV [20] – Partido Socialista Unido de Venezuela), Antoko eo amin'ny fitondrana.

Vonona amin'ny valim-panafihana mivaivay ny UBCH. Diosdado no hanome ny baiko.

Filohan'ny Solombavambahoaka (Parlemanta Venezoeliana) amin'izao fotoana izao i Diosdado Cabello [24].

Mandritra izay fotoana izay, nanao fanambaràna [25]nitaky ny fampiharana ny marina amin'ny fahafatesan'i Carmona tamin'ny haino aman-jery i Francisco Soteldo, mpikambana iray ao amin'ny Parlemanta, : 

Soteldo: “Mangataka ny fahamarinana manoloana ny fahafatesan'i Génesis Carmona izahay”

Carmona izany no faninefany tamin'ireo niharan-doza tamin'ny hetsi-panoherana [6] tany Venezoela.