Hetsi-panoherana Tany Venezoela : Maty Voaatifitra Teo Amin'ny Lohany Ilay Mpanjakavavin'ny Hatsarana

Génesis Carmona, mpanjakan'ny hatsarana ao Venezoela, olona iray hafa niharan'ny herisetran'ny savorovoro politika.

Maty tamin'ny 19 Febroary noho ny bala nahazo azy teo amin'ny lohany ny omalin'io, nandritra ilay hetsi-panoherana ny fitondrana, i Génesis Carmona, tanora Venezoeliana mpianatra sady mpanjakan'ny hatsarana.

Toy izao no nitondrana an'i Génesis Carmona, mpianatra iray, izay voatifitra teo amin'ny lohany raha nanao hetsi-panoherana tany Valencia.

Miresaka amin'ny fianakaviana sy ny renin'i Genesis Carmona izay misy bala ny lohany i @pabloaure ao amin'ny tobim-pitsaboana Guerra Mendez.

Araka ny nolazain'ny manam-pahaizana manokana izay nitsabo azy ao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Dr. Rafael Guerra Méndez ao amin'ny tanànan'i Valencia, dia voatifitra teo amin'ny faritra havanana aorian'ny mokon-dohany ilay Tompon'ny Hatsaran-tarehin'ny Fizahan-tanin'i Carabobo 2013, izay faritry ny atidoha miandraikitra ny fahitana. Azo heverina fa tsy hahita intsony izy naha ho sitrana aza.

Nivoaka ny trano fandidiana i Genesis Carmona (23 taona), voatifitry ny bala nandritra ilay hetsi-panoherana tany Valencia ary araha-maso akaiky amin'izao.

Namoaka ireo angona bitsika avy amin'ny mpampiasa Twitter, Héctor Rotunda (@Hecalo), izay mitantara ny zava-niseho nanomboka tamin'ny fotoana nahavoatifitra an'i Génesis Carmona mandra-pahafatiny ny gazety iray any Caracas. Teo amin'ilay toerana nisy ilay hetsi-panoherana i Rotunda sy ilay mpanjakavavin'ny hatsarana nodimandry. 

Tao anatin'ireo nanao fidinana an-dalambe teo anoloan'ny fiantsonan'ny “metro” Cedeño izahay. Nahare basy nipoaka lavareny izahay ka nandry tamin'ny tany…

Mitohy ny fanehoam-pahatezerana sy ny fanamelohana ao amin'ny Twitter. Ny Governoran'ny Fanjakan'i Carabobo, Francisco Ameliach, no voalaza fa fototr'iny fanafihana ny hetsi-panoherana tany Valencia iny. Andro vitsivitsy lasa izay, nandefa hafatra tamin'ny Twitter ny Governora nilaza fa zatra miampanga azy ho mamporisika ny fampiasan-kery ny mpanohitra amin'izao. Amin'ity bitsika manaraka ity, ohatra, dia tononony ny UBCH [es], ny Bolívar – Vondron-tafik'i Chávez (Unidades de Batalla Bolívar – Chávez) an'ny Antoko Sosialista Mivondrona ao Venezoela (PSUV – Partido Socialista Unido de Venezuela), Antoko eo amin'ny fitondrana.

Vonona amin'ny valim-panafihana mivaivay ny UBCH. Diosdado no hanome ny baiko.

Filohan'ny Solombavambahoaka (Parlemanta Venezoeliana) amin'izao fotoana izao i Diosdado Cabello.

Mandritra izay fotoana izay, nanao fanambaràna nitaky ny fampiharana ny marina amin'ny fahafatesan'i Carmona tamin'ny haino aman-jery i Francisco Soteldo, mpikambana iray ao amin'ny Parlemanta, : 

Soteldo: “Mangataka ny fahamarinana manoloana ny fahafatesan'i Génesis Carmona izahay”

Carmona izany no faninefany tamin'ireo niharan-doza tamin'ny hetsi-panoherana tany Venezoela.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.