- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eny An'Habakabaka Ny Fitiavana

Sokajy: Mediam-bahoaka
The shape of a heart created by smoke trails at the Ottawa air show. By Flickr user ASPatrick [1]

Fo vita amin'ny setroka noforonina tamin'ny fampisehoana an'habakabaka tany  Ottawa. Avy amin'i Andrew Patrick, mpampiasa Flickr . CC BY 2.0

Nankalaza ny Andron'ny Mpifankatia ireo mpifankatia mihoa-pefy any Azia Afovoany na dia nisy aza ny fanakanana [2]. Nameno ny toerana fijerena sarimihetsika tany Shanghai ireo tsy manan'olon-tiana mba hisomparana ireo mifamotoana ny 14 Febroary. [3] Nizara ny sasany amin'ireo hiram-pitiavana ankafiziny [4]ny ekipanay avy any Karaiba. Ary izahay ato amin'ny Global Voices dia nanao lahatsary manokana Be mpijery [5]miaraka amin'ireo kintan'ny mpilalao tantaram-pitiavana ato aminay.
 
Tena sahirana nitatitra sy nanaparitaka ny fitiavana izahay tamin'ity 14 Febroary ity !
 
Inty misy fehezany amin'ny fandrakofana ny Andron'ny mpifankatia 2014 nataonay :
 
GV Face: Amin'ity Andron'ny Mpifankatia ity Fitiavana Sy Fikaotiana Sipa Mihoatra Ny Sisintany [5]
Fetiben'ny Hiram-pitiavana Avy Any Karaiba [4]
Nibodo ny Sezan'ny Sinema Higafiana Ny Andron'ny Mpifankatia Ny Shinoa Tsy Manan'Olon-Tiana [3]
Mankalaza Ny Andron'ny Mpifankatia Ny Any Azia Afovoany Na Dia Eo Aza Ny Sakana [2]
“Làlana Mankany A [6]min'ny Helo Ny Fankalazana Ny Andron'ny Mpifankatia” Any Tajikistan [6]
Tantaram-pitiavana Tsy Misy Oroka ? Izany No Sinema Any Iran [7]
 

Eto no hibitsihan'ny olona ny momba ny andron'ny fitiavana :

Bitsika momba ny “#ValentinesDay” [8]