- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara Mbola Miandry Praiminisitra, Governemanta Vaovao

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara

Feno katroka ny volana raha nandray ny toerana mahafiloham-panjakana vaovao eto Madagasikara azy ny filoha voafidy Hery Rajaonarimampianina, mbola tsy misy ny marika ahafantarana izay ho praiminisitra vaovao ary governemanta manao ahoana no hatsangany. Mandresy lahatra ny Ma-Laza fa ny tena olana tsy any amin'ny fahafantarana izay ho praiminisitra fa any amin'ny zavatra harosony (hoentiny an-databatra) [1] [fr]: 

 Un  technicien hors pair,  rassembleur, capable de mener à bien la politique générale du Président de la République. Ce Premier ministre ne  devrait appartenir à aucune mouvance politique, en principe.Mais il n’est ni contre Rajoelina, ni contre Ravalomanana. Bref, c’est un oiseau rare qui inspire aux bailleurs de fonds la confiance. Cette personne existe-t-elle ?  

(Ny praiminisitra dia tokony ho) teknisiana havanana tokoa, mpanambatra, mahatontosa tsara ny politika ankapoben'ny Filohan'ny Repoblika. Tsy tokony ho avy amin'ny ankolafy na inona na inona io praiminisitra io, raha ny tokony ho izy. Tsy hanohitra an-dRajoelina, na hanohitra an-dRavalomanana  Raha fehezina dia olona saro-tadiavina itokisan'ny mpamatsy vola. Misy ve izany olona izany?