Tsaho Sy Sary Hosoka Mampanaitra Ny Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Venezoelà Ho Tompon'Andraikitra Kokoa Amin'Ny Zavatra Avoakany

[Ny rohy rehetra dia mankany amin'ny rohy amin'ny teny espaniola ankoatra ireo izay marihana manokana]

Ny vaovaon'ny krizy ao Venezoelà, arahin'ny fihetsiketsehana [en] tsy ahafahan'ny gazety be mpanaraka taterina noho ny fahatahorana ny fitakiana onitra [en] ataon'ny governemanta, no nanosika ny mpiserasera hampiely ny vaovao amin'ny alalan'ny fampitam-baovaon'ny fiarah-monina. Na izany aza, tsy ny mpiserasera rehetra no feno fangaraharana amin'ny fitaterany ny vaovao mitranga isan'andro, izay miteraka tsikera maventy amin'ny fomba fampiasana ny media nomerika ao amin'ny firenena.

Imagen para la campaña #ElMedioEresTu a cargo de @untalhector (Instagram).

“Tabatabain'ny fampitam-baovaon'ny fiaraha-monina izay mampangina ny gazety be mpanaraka” Sary avy amin'ny fanentanana #ElMedioEresTu [Ianao no Mpampita] avy amin'i @untalhector (Instagram).

Ny tarika Kaos en la Red, izay mamaritra ny tenany ihany koa ho fikambanana ara-kolontsaina miady amin'ny kapitalisma, niampanga ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Venezuela: Mentiras de medios de comunicación para generar caos de violencia” (Venezoelà: Fanelezan-dainga ao amin'ny media sosialy hiteraka herisetra) ny famoahana sary tsy mifandraika amin'ny zavamisy. Ampangain'ilay tarika ireo mpanohana ny mpanohitra sy ny mpiseraseran'ny media nomerika hafa ho manodikodim-baovao “hisian'ny gidragidra sy hanozongozonana ny governemanta”. Avoitran'ny lahatsoratra moa ny fifanipahana misy eo amin'ny sary entina hitsikerana ny lazaina ho fihoara-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny tantara tena izy ary ny loharanon'ny zavatra navoaka:

Izquierda: Denuncia de "represión" en Venezuela a cargo del usuario @YACUBATWITEA. Derecha: Imagen original publicada por AlJazeera sobre las protestas de Chile en 2012.

Havia: Fiampangana ny “famoretana” any Venezoela avy amin'ny mpisera @YACUBATWITEA. Havanana: Sary navoakan'ny Al Jazeera tamin'ny fihetsiketseha-panoherana tany Chile tamin'ny 2012.

Mandritra izany fotoana izany, mpanohana ny governemanta maro mampiely ny sarin'ny fivoriana nantsoin'ny Filoha Nicolas Maduro tao Caracas tamin'ny 15 Febroary. Ao ambadika moa ahitana mazava eo an-tampon'ny tranobe iray ny fangon'ny zavapisotro malaza efa nesorina efa-taona lasa izay. Ny mmpihomehy moa dia ilay mpisera namoaka ny sary tao amin'ny Twitter, ny ben'ny tanànan'i Caracas monisipaliten'i Libertador, Jorge Rodríguez (@JRodriguezPSUV) ihany no nanome baiko hanaisotra ny fango tamin'izany fotoana izany:

Raha miezaka manozongozona ny firenena ny Fasista, miady ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fiainana izahay. 

Lucía Calderón, manoratra ao amin'ny Clases de Periodismo, dia mandray ihany koa ny sary hosoka nataon'ilay noheverina ho mpanao gazety za-draharaha mitatitra ny herisetra sy fihoara-pahefana ataon'ny mpanohana ny fitondrana. Hita ary fa ny sary dia ahitana zatovolahy Basque iray nampijaliana tany Espaina tamin'ny 2006. Manoro i Lucía:

Recuerda revisar estos consejos para certificar información antes de compartirla siguiendo este enlace.

Tsarovy ny manaraka torohevitra ato amin'ny rohy sy manamarina ny vaovao mialoha ny hizaranao azy.

Misy ny pejy hafa ao amin'ny Facebook tahaka ny Venezuela Sin Mentiras (Venezuela Tsy Misy Lainga), nitsangana tamin'ny Aprily 2013 taorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena hanaporofoana ny karazana fanodikodinan-doha ataon'ny fampitam-baovao sy ny fandrisihana ny mpiserasera tsy hiditra amin'ny fomba izay mety hampidi-doza ny rehetra:

Reflexión: “NO CAER EN FALSOS RUMORES! calidad y veracidad en la información para que no estemos desinformados”

Eritrereto izao: “AZA METY HOFANDRIHANA AMIN'NY TSAHO! kalitao sy ny marina amin'ny vaovao mba tsy hahadiso ny vaovao raisintsika.”

Ho fanazavana ny toe-draharaha, ny habaka mpanesoeso El Chigüire Bipolar dia namoaka ny tantran'ilay “Donto nizara rasy tsy izy ary nanamafy fa maro ny olona vendrana.” Anaran'olona noforonina, Domingo Ugarte, nizara saripika hosoka ahitana fihetsiketseha-panoheran'ny mpianatra sy ny fampitan-tsiokantserasera azo avy amin'izany.

“La foto me llegó ayer como a las ocho de la noche. Era una imagen terrible, un policía con un traje negro que nunca había visto en Venezuela, maltratando a un estudiante en una calle que claramente no era acá. Pero no me resistí, tuve que darle retweet y compartirla al mundo. Todos tienen que ver el horror de lo que estamos viviendo y en el camino recibir demasiados RTs. Porque eso es lo arrecho, no importa si es una foto de un cangrejo gigante matando estudiantes, la gente se va a horrorizar y la va a compartir.”

Tonga tamin'ny valo ora ny sary halina. Sary nampihoron-koditra: polisy iray manao fanamiana mainty izay tsy mbola fahitako mihitsy teto Venezoelà midarodaroka mpianatra iray tao amin'ny lalana izay hit mazava fa tsy avy eto. Saingy tsy nahatohitra aho, tsy maintsy nampita sioka aho ary nizara izany tamin'izao tontolo izao. Mila mahita ny zava-mahatsiravina izay iainanay aho ary mba hahazo fampitàn-tsioka koa miaraka amin'izany. Satria izay no mampahomby azy; tsy maninona io na dia sarina foza goavana mamono mpianatra aza, ho tohina ny olona ary hizara azy

Misy moa amin'izao fotoana izao fisantaran'andraikitra mahaleotena vitsivitsy mikendry ny hampiroboroboana ny fampiasana tompon'andraikitra ny fampitam-botoaty nomerika, araka izay velabelarin'i Aglaia Berlutti, blaogera sy mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, ao amin'ny lahatsoratra ho an'ny Noticias Venezuela. Nalahatr'i Aglaia ireo andiana paipaika sy lalana tsara arahina mba hampahomby ny mpiseraseran'ny media sosialy amin'ny famoahana vaovao:

No exageres, ni tampoco distorsiones el hecho que deseas transmitir. Redacta noticias sencillas sin incluir tu opinión o hipótesis no verificadas. […] La intención de tu post o de tu artículo es que pueda ser compartido todas las veces que se requiera y que todos tus lectores puedan comprenderte sin problemas.

Aza manitatra na manolana ny zavamisy tianao haely. Manorena lahatsoratra tsotra tsy mampiditra ny hevitrao sy ny petra-kevitra mbola tsy voamarina. […] Ny tanjon'ny lahatsoratrao dia tokony ho azo zaraina matetika araka izay ilaina mba hahafahan'ny mpamaky rehetra mora mahatakatra azy.

Ary Karelia Espinoza (@Kareta), mpandalina ara-politika sy mpikatroka nomerika, nizara ny kisarisarin'ny fomba hiaraha-mitatitra amin'ny aterineto:

sary fampafantarana avy amin'ny Barquisimeto Móvil amin'ny fomba isorohana ny fanapenam-bava an-gazety [Ao anatin'ny dingana ny fanjohiana lisitra efa fantatra sy ny fanamarinana ny loharanom-baovao sy ny fikirakirana ny findainao hisiokantserasera amin'ny alalan'ny SMS ary ny fifikirana amin'ny diezy malaza.]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.