Nitatitra ireo olona marobe fa noraofin'ny polisy sy ireo manampahefana Mpiambina Nasionaly ny findain'ireo mpanao fihetsiketsehana ka voagadra ao Venezoela. Satria tonga amin'ny faha-15 andron'ny fihetsiketsehana eny an-dalambe i Venezoela, nihevitra ireo mpanao fihetsiketsehana fa hijery ny mombamomba azy ireo manokana ny polisy, sy hamafa ny sary sy lahatsarin'ny fihetsiketsehana ary nandefa hafatra any amin'ny fianakaviana sy naman'izy ireo. José Vicente Haro, Venezoeliana mpisolovava sady mpampianatra lalàna mpiaro ireo mpianatra gadra, nisioka hoe:
A los detenidos en el CICPC les quitaron los celulares y dijeron que se los devolveran el lunes. Estan revisando sus celulares.
— JOSE VICENTE HARO (@JOSEVICENTEHARO) febrero 13, 2014
Nalain'ny [polisy] teny amin'ireo voagadra ao amin'ny CICPC ny findain'izy ireo ary nilaza izy ireo [ny polisy] fa haveriny amin'ny Alatsinainy. Nojeren'ireo polisy izay tao anatin'ny findain'izy ireo.
Tamin'ny herinandro lasa, nilaza ny vaovao fa nampiasan'ny polisy handefasana hafatra mananihany hoan'ireo namany sy fianakaviany ny findain'ireo mpianatra. Nilaza i Eduardo Lischinsky izay nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana hoe:
Cosas ciertas 6: Están usando los celulares de los estudiantes detenidos para “chalequear” a familiares y amigos que intentan contactarlos.
— Eduardo Lischinsky (@edulisch) febrero 13, 2014
Nampiasain'ny polisy ny findain'ireo gadra mpianatra mba hamazivaziana ireo namana sy fianakaviana miezaka miantso azy ireo.
Nilaza ihany koa i Marie Mena, mpanao gazety mpanao fanadihadiana nanaraka akaiky ny fanagadrana ireo mpianatra fa farafaharakeliny mpanao gazety roa no notazonina am-ponja ary nalain'ny Mpiambina Nasionaly ny findain'izy ireo:
Periodistas @JPBIERIL y @perezvalery17 Anoche fueron detenidos y los GN les quitaron los celulares. Ojo @espaciopublico @ipysvenezuela
— MARY MENA (@MENAMARY) febrero 16, 2014
Nogadraina ireo mpanao gazety @JPBIERIL sy @perezvaler17 ary nalain'ireo Mpiambina Nasionaly ny findain'izy ireo. Mitandrema @espaciopublico @ipysvenezuela
Rehefa avy niresaka tamin'ireo fianakavian'ny gadra ilay mpanao gazety LuisCarlos Díaz dia tsy vitan'ny hoe mihazona ireo finday mba hamazivaziana fotsiny ireo polisy fa mbola nofafan'izy ireo ihany koa ny sary sy ny lahatsary ary porofo hafa momba ny fihetsiketsehana tao anatin'ireo finday:
Otra medida represiva en Venezuela es quitarle los teléfonos que a los detenidos para borrar fotos, videos y revisar información personal.
— Luis Carlos Díaz (@LuisCarlos) febrero 17, 2014
Fomba famoretana hafa ao Venezoela ny fakàna ny findain'ireo gadra mba hamafana ireo sary sy lahatsary ary hijerena ny mombamomba azy ireo manokana ao anaty finday.
Ao anatin'ny fihetsiketsehana sy noho ireo fampahalalam-baovao niharan'ny sivana, nitodika tao amin'ny aterineto ny Venezoeliana mba hizara sary, lahatsary, ary vaovao mikasika ny fihetsiketsehana sy ny famoretana taorian'izany. Nandefa lahatsary mivantana misy ny iray amin'ireo faritra nanaovana fihetsiketsehana maherisetra indrindra ireo mpanao fihetsiketsehana tao Chacao, distrikan'i Caracas, ka olona 230.225 no efa nijery izany hatramin'ny 18 Febroary. .