- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Hetsi-Panoherana Ao Venezoelà

Sokajy: Venezoela, Mediam-bahoaka, GV Face

Misedra olana ara-toekarena, politika ary sosialy i Venezoelà amin'izao fotoana izao izay nahatonga olona an'arivony maro nidina an-dalambe haneho ny tsy hafaliany. Efa maherin'ny herinandro iray no nirotsaka nanao hetsi-panoherana faobe ry zareo Venezoaliana ka, hatramin'ny anio, namoizana aina valo izany, naharatràna an-jatony ary nisamborana olona an-jatony ihany koa. Fa misy inona e?

Ao anatin'ity famoaham-baovaon'ny GV Face ity, Silvia Viñas, tonian-dahatsoratray ao Amerika Latna sy ny tenako dia niresaka tamin'i Marianne Díaz Hernández, [1] mpanoratra ao amin'ny Global Voices sady mpahay lalàna mpiaro ny zo dizitaly, izay manaraka ireo fanivànana ny mediam-bahoaka sy tranonkala anivon'ireo fanakombonam-bava hafa napetraky ny governamanta ao Venezoelà

Miresaka ny fiainana andavanandro ao Venezoelà i Marianne – ny fiantraikan'ny tsy fahampian-kanina sy fanafody amin'ny vahoaka, ary ny nahatonga ny gazety an-tsoratra hihena be tsy hisy afa-tsy pejy efatra sisa ao amin'io firenena io noho ny tsy fahampian'ny taratasy. Manome soso-kevitra izy ny amin'ny hampiasàna ireo loharanom-baovao ety anaty aterineto izay mifantoka amin'ny fanamarinana ny zava-misy, isan'ireny ny Elperiodistacivico.com [2], rehefa tonga ny fotoana izay ibosesehan'ny fandisoam-baovao sy ny fampielezan-kevitra hanatsimbadihana ny sain'ireo izay miezaka manome lanja ny tena zava-mitranga.