Tantara tamin'ny 21 Febroary 2014
21 Febroary: Andron'ny Tenin-dReny #imld14 #malagasy #madagasikara
[...] Tsy afeniko Fa 'lay tenin-drazako, lay teniko Asa lahy! Tonga nahamenatra ahy, Tsy antonona ny lazako Ny tenin-drazako Ka nafoiko Fa ny tsy ahy no hamboiko Dia hoy aho : Teny maty, Tsy mahalaza ny ato anaty! Teny ambany 'Zany teny gasy izany [...]
Fihetsiketsehana Noho Ny Fahafatesan'ireo Mpifindra-monina Tao Ceuta, Espaina: “Tsy Misy Olona Tsy Ara-dalàna”
Nomelohin'ireo mpifindra-monina sy fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena maromaro ny ny Guardia Civil, nilaza izy ireo fa tsy mba namonjy ireo mpifindra-monina na nampandre ny mpamonjy voina andranomasina mba hamonjy ireo olona tao anaty ranomasina ny Guardia Civil
[StoryMaker] Vesna Dolinšek Sy Lam Echaml Ao Tonizia

Nandritra ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tamin'ny volana janoary tao Amman, Jordania, nifampireaka tamin'i Vesna Dolinšek avy ao Tonizia izahay, iray amin'ireo mpandrindra ao an-toerana momba ny tetikasa, ary nifampizara ny traikefany momba ny fihaonany tamin'ireo mpandrindra hafa avy amin'ny firenen-kafa
Okraina: “Maty Tety An-Tànako Ny Tovolahy Iray” #EuroMaidan
Mpianatra iray ao Kiev, Okraina no nibitsika ny maraina ka hatramin'ny misasakalin'ny andro nisian'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny polisy izay namoizana aina 25 raha kely sy naharatràna an-jatony maro
NIdona Tamin'ny Tsy Fitokisana Ny Governemanta Libane Vaovao
Rehefa nanambara ny governemanta vaovao avy amin-dry zareo ny politisiana Libane, tamin'ny tsy firaharahiana, fanesoana sy tsy fitokisana no nitsenan'ny vondom-piarahamonin'ny mpampiasa aterineto izany tao Libanona.
Tonizia: Mpiserasera Facebook Nigadra Nahazo Famindra-Po, Famotsorana Tsy Voamarina
Nomena famindram-po noho ny famoahana sariitatry ny mpaminany Muhammad i Jabeur Mejri, hoy ny fanambaran'ny fiadidiana ny filohan'ny repoblika tamin'ny alarobia 19 febroary 2014.