(Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra.)
Nikarakara fihetsiketsehana ireo Venezoeliana an'arivony monina ivelan'ny firenena niaviany mba haneho ny fanohanany ireo fihetsiketsehana [1]eny an-dalambe ao amin'ity firenena Amerikana-Atsimo ity. Niely tao amin'ny tambajotra sosialy ny sary tamin'izany fihetsiketsehana izany
Tao amin'ny Facebook, feno sary marobe ny pejy SOS Venezuela [2], izay navoaka tao amin'ny Twitter ihany koa tamin'ny alalan'ny diezy #iamyourvoicevenezuela [3], #SOSVenezuela [4] sy #PrayForVenezuela [5], ary azo jerena ao amin'ny Instagram ihany koa.
Mi primo @guidorinconc [6] me envió esta foto de venezolanos y extranjeros manifestando hoy en Malta. #SOSVenezuela [7]pic.twitter.com/Fji1a1WzMC [8]
— Rita (@RitaFinol) February 17, 2014 [9]
Nalefan'ny rahalahiko @guidorinconc taty amiko ity sarin'ireo Venezoeliana any ivelany manao fihetsiketsehana androany ao Malte ity
Nanararaotra ity fihetsiketsehana ity ireo Venezoeliana sasany any ivelany mba hanolotra tatitra miaraka amin'ny tahirin-kevitra hoan'ireo fikambanana iraisampirenena na hoan'ny Antenimiera ao amin'ny firenena izay misy azy ireo. Tahaka izany ohatra no nataon'ity vondron'olom-pirenena manao fihetsiketsehana ao La Haye ity.
Venezolanos en La Haya, Holanda. Presentamos documento a Parlamento. Denunciamos violaciones a DDHH en #Venezuela [10] pic.twitter.com/7j3OLpLUC4 [11]
— Tomás A. Chang Pico (@TomasChang) February 18, 2014 [12]
Venezoeliana ao La Haye, ao Holandy. Nanolotra tatitra tao amin'ny antenimiera izahay. Manameloka ny fanitsakitsahana atao amin'ny zon'Olombelona ao Venezoela izahay.
Namoaka lahatsary tao amin'ny Instagram [13] i Gaby Silva [14], mampiseho ny fihetsiketsehana nataona vondrona Venezoeliana tao Madrid. Hita amin'ity lahatsary ity ny fitakian'ireo olom-pirenena ny rariny, ny fandriampahalemana ary ny fifampiresahana.
Namoaka ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Times Square, ao an-tanànan'i New York kosa ny gazety TalCual [15] [Tel Quel].
PROTESTAN EN NUEVA YORK. Cientos de venezolanos protestaron en Times Square. http://t.co/ukrjIAueK3 [16] pic.twitter.com/uwmkICODa0 [17]
— TalCualDigital.com (@DiarioTalCual) February 18, 2014 [18]
FIHETSIKETSEHANA AO NEW YORK. Venezoeliana an-jatony no manao fihetsiketsehana ao amin'ny Times Square.
Nahitana fihetsiketsehana ihany koa tao Aostralia :
Venezolanos en Sídney se solidarizan con las marchas de estudiantes http://t.co/NF4OaoGKh9 [19] pic.twitter.com/PzFwR4D4vT [20]
— La Voz (@EldiarioLaVoz) February 18, 2014 [21]
Mitondra ny firaisankinany amin'ny filaharambe ataon'ireo mpianatra ny Venezoeliana ao Sidney.
Nandritra izany, niakatra fitsarana [22]ny mpitarika ny mpanohitra [23] Leopoldo López ao Venezoela ary nanambara [22] ny filoha Nicolás Maduro fa tokony hiatrika ireo fiampangana fikomiana sy tsy fanajana ny lalàmpanorenana hanenjehana azy i Lopez.