- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[StoryMaker] Mustafa El-Ani Ao Amin'ny Foiben-gazety Tsy Miankina Kiorda

Sokajy: Antsafa, Lanonana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Nandray anjara tamin'ny Lasin'ny StoryMaker [1]notontosaina tao Ammam, ao Jordania ny Rising Voices tamin'ny 28-30 Janoary 2014. Amin'ny mpiara-miasa amin'ny tetikasa, fotoana nahafahana nihaona tamin'ireo mpiandraikitra voalohany mandray anjara amin'ny fampivelarana ny fampihatra sy ny fanatanterahana ny tetikasa fampiofanana sy fanoroan-dalana izany.

Ahitana ny Foibem-pirenena Fanazarana avy any Ejipta, Tonizia, Maraoka ary Irak ihany koa ity vondrona ity, izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikarakarana ireo karazana hetsika fanazarana.

Tao Irak, tao amin'ny Foiben-gazety Tsy Miankina Kiorda (IMCK) [2]no notontosaina ny fampiofanana, izay nanomezana fiofanana hoan'ireo mpanao gazety manerana ny firenena, ary koa: 

LOGO_IMCK

..consultancy to newspaper editors and TV station management, internet courses for newspaper sites, workshops for photographers and media training for politicians.The Independent Media Centre in Kurdistan was set up in May 2008 to improve the quality of the media in Iraq in order to help the democracy in Iraq to develop. IMCK mainly works inside Iraqi Kurdistan and with all media, both party and independent. IMCK strives to improve the quality of the existing media, the quality of journalism and that of the entire media landscape in Iraqi Kurdistan and Iraq. The aim of the IMCK is to bring civil journalism, or reporting on people for people, to Iraq.

..toro-hevitra hoan'ireo tonian-dahatsoratra sy mpitantana fahitalavitra, fampianarana aterineto hoan'ny habaky ny gazety, atrikasa hoan'ireo mpakasary ary fampiofanana momba ny media hoan'ireo mpanao politika. Niorina tamin'ny volana Mey 2008 ny Foiben-gazety Tsy Miankina mba hanatsarana ny kalitaon'ny fampahalalam-baovao ao Irak ary ho fanampiana ny fampandrosoana ny demaokrasia ao Irak. Ao anatin'i Kiordistana Irakiana no tena miasa ny IMCK ary miaraka amin'ny fampahalalam-baovao rehetra, an'ny antoko na tsy miankina. Miezaka manatsara ny kalitaon'ny media misy, sy ny kalitaon'ny asa fanaovan-gazety ny IMCK ary izany dia hoan'ny fitambaran'ny tontolon'ny media ao Kiorda Irakiana sy Irak. Ny tanjon'ny IMCK dia ny hitondra ny asa fanaovan-gazety sivily, na hitati-baovao momba ny vahoaka hoan'ny vahoaka ao Irak.

Tao amin'ny Lasin'ny StoryMaker, afaka niresaka tamin'i Mustafa El-Ani, mpandrindra ny IMCK izahay. Miresaka momba ny fanamby atrehin'ny fiofanana ao Irak sy ny tantara sasany nandritra ny fanazaranam.

Araho ny ao amin'ny Facebook ny IMCK. [3]