- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola Misarika Ny Sain'ny Olona Ny Fandresen'i Nina Compton, Sefon'ny Nahandro St Lucian

Sokajy: Karaiba, Saint Lucia, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sakafo

Sefon'ny nahandro Saint Lucian, Nina Compton [1], zanaka vavin'ny Praiminisitra teo aloha John Compton [2], no nahazo ny laharana faharoa tamin'ny lalao faha-11 amin'ilay fandaharana fahandroan-tsakafo hita mivantana amin'ny fahilavitra Top Chef [2]. Nicholas Elmi [3]no nandresy, saingy ny fandraisan'anjaran'i Compton no lohahevitra lehibe niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy, indrindra tao amin'ny vondrona antserasera Saint Lucians Aiming for Progress (Saint Lucians Mikendry ny Handrosoana) [4] .

Nikarakara fandefasana mivantana ny fifaninanana Top Chef hojeren'ny besinimaro tao amin'ny Kianjan'i Derek Walcott [5] ao afovoan'ny  renivohitry ny nosy [6] ny vondrona. Mpanara-baovao maro no talanjona fa tsy notononina ho mpandresy i Compton, saingy niezaka izy handrombaka ny loka “Fan Favorite” (Nironan'ny Mpankasitraka) sy [7] ny loka lelavola 10.000 dolara Amerikana izy – mariky ny fiakaran'ny fanohanana antserasera azony. Taorian'ny lanonana, notendren'ny Minisitry ny Fizahan-tany, Lorne Theophilus ho “ambasadaoron'ny nahandro” i [8]Compton.

Nahazo fanohanana marobe tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy #TeamNina [9], #TeamGreenFigAndSaltFish [10], #Team758 [11] ary ny #NinaNation [12]i Compton. Naneho ny tsy fahafaliany noho izy laharana faharoa ireo mpiserasera sasany tao amin'ny bilaogy-madinika, saingy ny ankamaroany kosa nitodika tany amin'ny fiarahabana azy noho ny fahombiazany:

Nisafidy olona mahay mahandro spam sy tsy maharesy lahatra tamin'ireo vehivavy roa izay nampiseho azy ireo amin'ny fahaizany mahandro ny #Topchef

Henonay ny nolazain'ireo mpitsara tamin'ny Sefo Nina na dia izany aza

Mpisera Twitter iray nilaza am-piesoesoana fa tokony nandresy i Comptom raha nanaraka ny toroheviny:

Nilaza tamin'i NINA aho hoe “pehmi sy lafarinina nandrahoina” karakaraina amin'ny tsindrin-takafo ary ataovy amin'izay fahaizany azy!

Nisioka fanohanana hoan'i Compton ihany koa ilay mpamorona lamaody avy ao Trinidad, Anya Ayoung-Chee, izay nandresy tamin'ny tetikasa fifaninanana lamaody Runway tamin'ny taona 2011 [20]:

Arahabaina i @nina_compton  [21]nandresy tao anatin'ny fo sy ny sain'ny maro! Mamirapiratra ny saina mijery ny nosinao! Ianao no tompon'ny #Topchef !!

Avy amin'i Edsel Little ny hajiantsary nampiasaina tao amin'ity lahatsoratra [22]“Top Chef fundraiser” ity, nampiasaina tamin'ny alalan'ny Attribution-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons license. [23]Tsidiho ny sary ao amin'ny Flickr an'i Edsel Little [24]