Sefon'ny nahandro Saint Lucian, Nina Compton, zanaka vavin'ny Praiminisitra teo aloha John Compton, no nahazo ny laharana faharoa tamin'ny lalao faha-11 amin'ilay fandaharana fahandroan-tsakafo hita mivantana amin'ny fahilavitra Top Chef. Nicholas Elmi no nandresy, saingy ny fandraisan'anjaran'i Compton no lohahevitra lehibe niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy, indrindra tao amin'ny vondrona antserasera Saint Lucians Aiming for Progress (Saint Lucians Mikendry ny Handrosoana) .
Nikarakara fandefasana mivantana ny fifaninanana Top Chef hojeren'ny besinimaro tao amin'ny Kianjan'i Derek Walcott ao afovoan'ny renivohitry ny nosy ny vondrona. Mpanara-baovao maro no talanjona fa tsy notononina ho mpandresy i Compton, saingy niezaka izy handrombaka ny loka “Fan Favorite” (Nironan'ny Mpankasitraka) sy ny loka lelavola 10.000 dolara Amerikana izy – mariky ny fiakaran'ny fanohanana antserasera azony. Taorian'ny lanonana, notendren'ny Minisitry ny Fizahan-tany, Lorne Theophilus ho “ambasadaoron'ny nahandro” i Compton.
Nahazo fanohanana marobe tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy #TeamNina, #TeamGreenFigAndSaltFish, #Team758 ary ny #NinaNation i Compton. Naneho ny tsy fahafaliany noho izy laharana faharoa ireo mpiserasera sasany tao amin'ny bilaogy-madinika, saingy ny ankamaroany kosa nitodika tany amin'ny fiarahabana azy noho ny fahombiazany:
So #topchef choose someone who can cook spam and inconsistent over two ladies who showed them what being brilliant chefs are
— Suzi Saint Lucia (@carnille) February 6, 2014
Nisafidy olona mahay mahandro spam sy tsy maharesy lahatra tamin'ireo vehivavy roa izay nampiseho azy ireo amin'ny fahaizany mahandro ny #Topchef
We eh care wa da judges say Chef Nina all the way!!! #TeamNina #TopChef
— lanzie-melissa_grey❤ (@Lanzie_04) February 6, 2014
Henonay ny nolazain'ireo mpitsara tamin'ny Sefo Nina na dia izany aza
Mpisera Twitter iray nilaza am-piesoesoana fa tokony nandresy i Comptom raha nanaraka ny toroheviny:
#teamgreenfigandsaltfish I tell NINA cook” pehmi and flour porride” 4 desert she go and do her own ting!
— Megabite de Artiste (@MegabiteVictor) February 6, 2014
Nilaza tamin'i NINA aho hoe “pehmi sy lafarinina nandrahoina” karakaraina amin'ny tsindrin-takafo ary ataovy amin'izay fahaizany azy!
Nisioka fanohanana hoan'i Compton ihany koa ilay mpamorona lamaody avy ao Trinidad, Anya Ayoung-Chee, izay nandresy tamin'ny tetikasa fifaninanana lamaody Runway tamin'ny taona 2011:
Congrats to @nina_compton for winning in the hearts & minds of many! Your island spirit shone bright! #TopChef belongs to you!!
Arahabaina i @nina_compton nandresy tao anatin'ny fo sy ny sain'ny maro! Mamirapiratra ny saina mijery ny nosinao! Ianao no tompon'ny #Topchef !!