Avy Ao Iran Mankany Ivelany: Ny Olon'i Shiraz

Iza ireo olona ao Shiraz, Iran ary inona no mba nofinofiny? Tantara an-tsary iray momba ny Humans of Shiraz (Olon'i Shiraz) no nanomboka tety anaty Facebook, roa taona lasa izao, aingam-panahy natosik'ilay pejy fanta-daza maneran-tany Humans of New York. Manana mpanjohy maherin'ny 7.300 ilay pejy. Ireto ny sary miaraka amin'ny tantaran'ny maha-olona avy amin'ny lafim-piainana rehetra.

Shiraz no renivohitry ny faritanin'i Fars ao Iran, ary fantatra amin'ny maha-tanànan'ny poety sy ny literatiora azy. Poeta roa malaza, Hafez sy Saadi no teraka tao. Raisin'ireo Iraniana marobe ho tanànan'ny zaridaina kanto ihany koa io tanàna io.

Real Madrid

“I'm a football player…” “What's your biggest dream as a football player?” “To play in Real Madrid.” Photo by Humans of Shiraz (used with permission)

Sary an'ny Humans of Shiraz (fampiasàna nahazoana alàlana)

“Mpilalao baolina fandàka aho…”
“Inona no nofinofinao amin'ny maha-mpilalao baolina fandàka a?”
“Ny hilalao ao amin'ny Real Madrid.”

Ny ho lasibika indray andro any

Photo by Humans of Shiraz (used with permission)

Sary an'ny Humans of Shiraz (fampiasàna nahazoana alàlana)

“Inona no seha-pianarana arahanao?”
“ny ingenierie electronique.”
“Inona no tena tianao indrindra?”
“Ny mamolavola zavatra ary tiako ny ho lasibika indray andro any…”
“Aminao, inona no zavatra faran'izay sarotra indrindra raha te-ho lasibika?”
“dia ny haneken'ny olona manodidina ahy an'izay sy mba handraisany azy amin'ny lafiny tsara.”

Heavy Metal

Photo by Humans of Shiraz (used with permission)

Sary an'ny Humans of Shiraz (fampiasàna nahazoana alàlana)

“Mpiangaly mozika amin'ny gadona “heavy metal” aho, ary ny guitare electrique no fitendriko… “

Avy any amin'ny Fitiliana (radiologie) tonga eny ampivarotana kiraro.

Photo by Humans of Shiraz (used with permission)

Sary an'ny Humans of Shiraz (fampiasàna nahazoana alàlana)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.