Freedom of the press rankings, according to @RSF_RWB #infographic pic.twitter.com/KUG8TRcwji — Agence France-Presse (@AFP) February 12, 2014
Filaharan'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety araka ny @RSF_RWB Agence France-Presse (@AFP)
Mbola nidina ihany ny laharana nametrahan'ny Reporters Sans Frontières an'i Japan tamin'ity taona 2014 ity eo amin'ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety izay nitontona any amin'ny laharana faha-59 amin'ny 180. Navoitran'ny tatitra isan-taona fa ny tolo-dalàna avy amin'ny governemanta Japoney momba ny tsiambaratelom-panjakana izay nolaniana tamin'ny desambra tamin'ny herintaona no nahatonga izany:
The “special intelligence protection bill” that the National Diet in Japan (59th, – 5) adopted in late 2013 would reduce government transparency on such key national issues as nuclear power and relations with the United States, now enshrined as taboos. Investigative journalism, public interest and the confidentiality of journalists’ sources are all being sacrificed by legislators bent on ensuring that their country’s image is spared embarrassing revelations.
Ny “tolo-dalàna fiarovana ny fitsikilovana manokana” nolanian'ny Diet Nasionaly (naotin'ny mpandika: mitovy amin'ny antenimieram-pirenena ihany) (faha-59, – 5) tao Japana tamin'ny faran'ny taona 2013 no hampihena ny fangaraharan'ny asan'ny governemanta amin'ny raharaham-pirenena lehibe tahaka ny angovo nokleary sy ny fifandraisana amin'i Etazonia ho lasa fady tsy azo resahina. Lasa ataon'ny mpanao lalàna sorona avokoa ny fanaovan-gazety famotopotorana, ny tombontsoam-bahoaka ary ny fahazoana tsy miteny ny loharanom-baovaon'ny mpanao gazety noho ny fitiavana tsy hielezan'ny vaovao mety hanahirana.
Nasongadin'ny fampilaharana ihany koa ny fanavakavakana mahazo ny mpanangom-baovao vahiny sy mandeha amin'ny anaran'ny tenany rehefa eo amin'ny fahazoana miditra amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety na eo amin'ny fahazoana vaovao.
Amin'ny ankapobeny dia tsy heverin'ny Japoney ho zo ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety satria mifikitra amin'ny fandraisana ny vaovao avy amin'ny gazety be mpanaraka fotsiny ny ankamaroan'ny olona. Saingy, noho ny fitohizan'ny fitsontsoriky ny laharan'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety manerantany (nidina avy amin'ny laharana faha-22 nankany amin'ny laharana faha-53 i Japana tamin'ny 2013) sy ny nisian'ny fotoana mitati-baovao manao fanasana ati-doha amin'ny voina nokleary tao Fukushima, dia efa manomboka mijery am-pitsikerana amin'ny fahalalahan-gazety ao Japana ny olona.
Mpanao gazety mahaleotena Ryusaku Tanaka namaly ny vaovao tao amin'ny Twitter:
報道の自由度ランキング、日本は59位 ?? ロシアや中国のように自由な報道を国家による暴力で押し込められるわけではない。 日本のマスコミは権力と一体化している。 自らの特権をいくらでも貪る自由があるのだ。 マスコミの自由度はむしろ世界一ではないだろうか。 — 田中龍作 (@tanakaryusaku) February 12, 2014
Mitana ny faha-59 eo amin'ny filaharana ankapoben'ny Fahalalahan-gazety i Japana? Tsy gazety ampanginin'ny fanjakana anterisetra tahaka ny any Shina na any Rosia io. Manana fahefana betsaka ny gazety be mpamaky Japoney. Manana ny fahalalahana ny hitabataba izy, sy izay tiany, ary amin'ny tombontsoany ho azy manokana. Tsy azo lazaina aza ve, fa ny azy no tsara indrindra amin'ny ny haavon'ny fahalalahana ananan'ny fampitam-baovao?
Mpisera Twitter hafa, Daisuke Murakami, naneho hevitra tamin'ny fahadisoam-panantenana:
マスコミ腐蝕は今に始まったことじゃないけど、いよいよ病気と言っていいレベルにきてる。普段自分達が見てる報道がどんなものなのか、知っておいた方がいい。正直、政治家より信じられない。■ 報道の自由、日本後退59位 福島事故と秘密法響く – http://t.co/Tt9hz1bWUt — ムラカミダイスケ (@yoruhakorekara) February 12, 2014
Tsy zavatra vao haingana io fitsontsoriky ny fampitam-baovao be mpanaraka io, fa ankehitriny izy no manakaiky ny fetran'ny antsoina hoe “marary”. Mahita kokoa isika izao hoe fanangonana sy fitateram-baovao tahaka ny ahoana moa no hitantsika olon-tsotra isan'andro. Raha lazaina tsy ankivilivily dia tsy mampino kokoa noho ny mpanao politika ny gazety.
Navoitran'ny [ja] mpisera “soret” ao amin'ny tranonkalam-pamandrihana ara-tsosialy hatena fa nandray anjara tamin'ny nahatonga io olana io ny kisha club, rafi-pikambanan'ny gazety mahazatra ao Japana:
元々順位が低いのは記者クラブのせいだろうに。そこに一言も触れず原発事故と特定秘密保護法だけ取り上げるようなことをするから、ますます信用がなくなる
Mety ho avy amin'ny fahadisoana fisian'ny kisha club no nahatonga ny laharana ambany. Ary ny tsy filazana na inona na inona momba izany, fa maka fotsiny ny tantaran'ny loza nokleary sy ny lalànan'ny tsiambaratelom-panjakana, dia lasa mihavery hatrany hatrany ny fitokisana an-dry zareo.