Hijanona Ao amin'ny Valam-biby Mendoza Ihany ilay “Orsan'ny Tendrontany” Ao Arzantina

Imagen de la pagina de Facebook OSO POLAR Arturo

Namaritra ny vondrona manam-pahaizana ara-pitsaboana fa i Arturo , ilay Orsa, orsa tokana ao amin'ny tendrontany izay sinambotra ao Arzantina, dia tokony hijanona ao Mendoza fa tsy hafindra any Kanada, taorian'ny hafanana mahery vaika mety hanohintohina ny fahasalamany. 

Nanazava ny bilaogy Un Mundo en Paz (Tontolon'ny Filaminana) [es]:

Por unanimidad, los especialistas decidieron que el oso Arturo se quede en Mendoza. Analizaron que por su edad, 23 años, no puede ser sometido a una serie [de] análisis necesarios para el traslado y en Canadá no podría recibirlo porque el animal no cumple con los requisitos que exige el protocolo de ese país.

Niombo-kevitra ireo manampahaizana manokana fa tokony hijanona ao Mendoza i Arturo ilay Orsa. Resy lahatra izy ireo fa noho ny taonany, 23 taona, dia tsy afaka hiaritra ireo andiana fizahana ilaina amin'ny famindrana azy izy, ary tsy ho voaray ao Kanada ihany koa satria tsy mahafeno ireo fepetran'ny fenitra ao amin'ny firenena.

Tamin'ny volana Janoary 2014, noho ny fangatahana sy fahafaha-manao nataon'ireo vondrona samihafa fa tokony apetraka aminà toerana sahaza hoan'ny karazany ilay Orsa, nanambara tao amin'ny kaonty Twitter-ny ny governoran'ny tanànan'i Mendoza, Francisco Pérez (@PacoPerez) fa efa nozahana ara-batana ilay orsa mba hijerena ny mety hamindrana azy any Kanada:

Fantaro fa ho ankatoavin'ny governemantanay sy hotohanany ny fanapaha-kevitra hamindra an'i Arturo ilay Orsa, raha manapa-kevitra ny vondrona mpitsabo fa izany no tsara indrindra.

Tamin'ny volana Febroary, misy vaomieran'ny fitsaboana ahitana mpitsabo biby ao an-toerana, ao amin'ny firenena sy any ivelany hizaha ny fahasalaman'i Arturo ilay Orsa.

Handinika ity vaomieran'ny fitsaboana ity raha mety amin'i Arturo ny famindra-toerana, satria ny laharam-pahamehana dia ny fiarovana ny fahasalamany.

Raha mankatò izany ny vaomieran'ny mpitsabo, ka azo afindra toerana i Arturo ilay Orsa, misy vondrona Kanadiana roa vonona handray azy.

Niteraka hafaliana sy fankasitrahana marobe hoan'ny governora ity vaovao ity, ka miandry ny fahatongavan'ny vaomieran'ny fitsaboana amin'ny 7 Febroary mba hanao ny fizahana ny fiarahamonina.

Araka ny efa nampoizina, ny vaovao milaza fa hijanona ao Mendoza ilay Orsa dia niteraka fihetseham-po teo amin'ireo izay niandry izany vaovao izany. Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra mikasika ny tranga tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #OsoArturo ny Arzantina

Ho azy ireo kosa, nampahafantatra fanambarana [es] milaza fangatahana “habeas corpus” hoan'ny fahaverezana tsy ara-dalàna ny fahafahan'ilay Orsan'ny tendrontany ny Fikambanan'ny Mpiasam-panjakana sy ny Mpisolovava Miaro ny Zon'ny Biby (AFADA).

Niantso ny tokony hanohizana ny tolona hiarovana ilay orsan'ny tendrontany ny pejy Facebook Ecológicos Unidos [es]:

MENSAJE URGENTE A AQUELLAS PERSONAS QUE TIENEN GANAS DE AYUDAR AL OSO POLAR ARTURO Y TIENE IDEAS NUEVAS PARA LOGRAR SU TRASLADO 

Nosotros probamos con todo y no lo logramos … pero no quiere decir que alguien más preparado y con más herramientas no pueda hacerlo ! 

NO DISCUTAN CON NOSOTROS , HÁGANLO URGENTE ! ARTURO NO TIENE TIEMPO ! 

HAFATRA MAIKA HOAN'IREO OLONA TE HANAMPY AN'I ARTURO ILAY ORSAN'NY TENDRONTANY ARY MANA-KEVI-BAOVAO MIKASIKA NY FAMINDRANA AZY

Niezaka nanao zavatra izahay fa tsy nahomby…kanefa tsy midika izany fa tsy afaka tsy manao izany ny olona efa nivonona sy manana fitaovana bebe kokoa

AZA MIADY HEVITRA AMINAY, ATAOVY HAINGANA IZANY! TSY MANAM-POTOANA FIRY INTSONY I ARTURO

 

Nanao tahaka izany ihany koa ny pejy  OSO POLAR Arturo [es], ary nitatitra [es] fa ny valiny dia “ny vaovao ratsy indrindra” izay azon'izy ireo neritreretina.

Imagen de la página en Facebook OSO POLAR Arturo

Sary avy amin'ny pejy Facebook OSO POLAR Arturo (Arturo ilay ORSAN'NY TENDRON-TANY)

Nizara lahatsary mikasika ity vaovao ity ny Sampam-pahalalam-baovao AFP [es], izay mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana miandry ny valiny:

Nandritra izany, niantso ny hanatevenana ny tolona [es] ny Greenpeace Argentina [es] mba hanatsarana ny fepetran'ny toerana hitazomana an'i Arturo amin'izao fotoana izao. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.