- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Amin'ity Andron'ny Mpifankatia Ity, Fitiavana sy Fikaotiana Sipa Mihoatra Sisintany

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Face

Miarahaba nahatratra ny Andron'ny Mpifankatia! Amin'ity 14 Febroary ity, hiresaka momba ny fitiavana sy ny fikaotiana sipa manerana izao tontolo izao isika.

Hizara tantara avy amin'ny fikambanana Global Voices izahay, anisan'izany ny tantara mahafinaritra notsongaina voalohany avy amin'ireo mpifankatia Sylwia Presley sy Dan Braghis izay nihaona tato amin'ny Global Voices, ny zanaka vavy nilaza tamin-drainy tamin'ny alalan'ny hafatra an-tsoratra fa nanambady izy sy tantaram-pitiavana maoderina nampifangaroana nentim-paharazana avy ao Pakistana.