LAHATSARY: ‘Tsy Manana Afenina’ — Izany Tokoa Ve? #TheDayWeFightBack

“Raha tsy manan-javatra afenina ianao, dia tokony azo alaina sary ao amin'ny efitra fatorianao sy fidiovanao” hoy i Jérémie Zimmermann, avy ao amin'ny vondrona Frantsay mpiaro ny zo nomerika La Quadrature du Net, nilaza tao anaty hira niarahany tamin'i La Parisienne Libérée, izay mibilaogy ao amin'ny Mediapart.

Ao amin'ity hira mahasodoka ity zy roa no manazava ireo voka-dratsin'ny fanarahamaso manerantany apetraky ny NSA amin'ny alalan'ireo tahirin-kevitry ny tsirairay manokana, notrohana sy nafindran'ny Facebook, Google sy ny tranonkala mitovy amin'izy ireo amin'ny fiainana manokana. Nampitandrina i Zimmerman:

To tell yourself — oh I have nothing to feel guilty about and therefore I have nothing to hide — is totally disconnected from reality in which generalised surveillance by the NSA works on the principle of three degrees of separation. If you've been in contact with someone, who has been in contact with someone who has a — perhaps long-lost — brother, a guy with a beard who is suspected of terrorist activities, then potentially all your email correspondence, your online presence, your phone calls, your SMS, all that, is spied upon by the NSA.

Ny filazanao amin'ny tenanao hoe « tsy manan-javatra hanomeza-tsiny ny tenako aho, ka noho izany tsy manan-javatra afenina» dia tsy mahafantatra tanteraka izay zava-misy manoloana ny fanarahamaso faobe ataon'ny NSA ao anatin'ny ambaratonga telon'ny fisarahana. Raha mifandray amin'ny olona iray ianao, ary io olona io manana fifandraisana amin'ny olon-kafa – izay mety hoe rahalahy na anadahy tsy nifankahita taminy nandritra ny fotoana ela, ary lehilahy manao volombava ahiahiana ho manao asa fampihorohoroana, amin'izay fotoana izay dia mety efa tsikilovin'ny NSA ny fifandraisanao amin'ny alalan'ny mailaka, ny fisianao ao amin'ny aterineto, ny antso an-tariby, ny somaisonao (SMS) rehetra.

Amin'ny teny Frantsay, manana dika an-tsoratra amin'ny teny Anglisy sy Espaniola ny lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.