- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miverina Amin'ny Fahitalavitra Indray Ilay Ejipsiana Mpananihany Bassem Youssef

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Ao Ejipta, mety mamoaka ny sehonao ao amin'ny fantsona YouTube ianao dia misy fantsona fahitalavitra telo [1] mitazona azy tsy hivoaka. Tamin'ny volana oktobra tamin'ny herintaona ny CBC channel [2] no nanapa-kevitra tsy handefa amin'ny fahitalavitra ny fampisehoan'ilay Ejipsiana mpanesoeso Bassem Youssef mitondra ny lohateny hoe El Bernameg [mg] [3]. Raha iverenana ny tamin'izany fotoana izany dia voalazan'ny [4] [mg] fanambarana fa “nandika ny fifanarahana tamin'ny CBC” ny fizarana voalohany tamin'ny fampisehoana. Namehy [5] ny maripanan'ny toe-draharaha taorian'ny namoahana ny fizarana voalohany ny bilaogera Zeinobia:

 

The Islamists are angry from Bassem Youssef as usual. Already they used to hate him during Morsi so there is nothing new about it. The new thing is the reaction of the Pro-military rule/Pro-El Sisi supporters who used to cheer for Bassem . The Pro-Military supporters are extremely angry because the famous satirist dared and spoke about the general !! He did not even mock him directly.

Efa tezitra amin'i Bassem Youssef araka ny mahazatra ny Islamista. Efa nankahala azy hatramin'ny fitondran'i Morsi ry zareo ary tsy misy zava-baovao momba izany. Ny vaovao dia ny fihetsiky ny mpanohana ny fitondra-miaramila/mpanohana an'i El Sisi izay tia mihaino an'i Bassel. Tezitra aoka izany ny mpanohana ny miaramila satria nahasahy niresaka momba ny jeneraly ilay mpanao hatsikana!! Tsy naneso azy mivantana akory.

Bassem Youssef and his show were trending on twitter. [5]

Malaza ao amin'ny twitter i Bassem Youssef sy ny sehony.

Niverina [6] tamin'ny zoma [7 Febroary 2014] tao amin'ny MBC Masr [7], fantsona fahitalavitra an'ilay mpandraharaha Saodiana Waleed Al Ibrahim [8] ny fampisehoana.

Ary dia efa mifanontany tena sahady ny olona, mialoha ny hivoahan'ny fampisehoana, raha hahasahy hanonona ilay tompom-pahefan'i Ejipta sy ny sahan'ilay Minisitry ny Fiarovana Abdel Fattah El Sisi ilay mpananihany.

@A_AHaleem [10]: Matoky fa tsy hanonona an'i El Sisi i Bassem Youssef, ary handihy hatrany eo ambonin'ireo nofo mangatsiakan'i Ikhwan hatrany hatrany.

Mitrerotrerona [11] amin'ny safidin'i Youssef amin'ny fahitalavitra handefasany ny fandaharany ihany koa ny Dr As'ad AbuKhalil, na Ilay Arabo Tezitra:

After a feverish search for free network, Egyptian satirist, Bassem Youssef, has decided that Saudi MBC TV station is the freest of them all. How cute. I am sure that the new boss of Youssef would let him mock the Saudi King and Sisi.

Taorian'ny fikarohana tambajotra malalaka ilay ejipsiana mpananihany, Bassem Youssef, no nanapa-kevitra fa ny fahitalavitra saodiana MBC no malalaka indrindra amin'izy rehetra. Mahafinaritra. Matoky aho fa hamela malalaka hanesoeso ny mpanjaka saodiana sy Sisi ny mpampiasa an'i Youssef vaovao

Na izany aza, namehy ny fandaharana i Zeinobia vantany vao vita izany:

The episode started with funny Sketch where Bassem hinted out to El Sisi/army mania in a funny way then it was the big show. Youssef and his team slammed CBC and its owner Mohamed El Amin. He also mocked other pathetic TV hosts who were attacking him exposing their overreactions. He claimed that he would
avoid the one who won't be named showing a silhouetted photo of El Sisi but man he mentioned names several times.

Nanomboka tamin'ny hatsikana mampihomehy nanondroan'i Bassem amin'ny fomba ankolaka amin'ny fitiavan'ny maro an'i El Sisi/tafika ny fotoana ary nahafinaritra ny fampisehoana. Nofelahan'i Youssef ihany koa ny CBC sy ny tompony Mohamed El Amin. Nesoesoiny tamin'ny fihetsika tafahoatra nataony ihany koa ireo fahitalavitra rainitetaka namely azy. Nilaza izy fa misy olona iray tsy hotononina anarana sady nasehony ny salovantavan'i El Sisi saingy naverimberiny matetika ny anaran'ilay lehilahy

Nampiany:

In the second segment Bassem continued speaking about the El Sisi-Mania in the Egyptian TV that extended to cooking shows and fashion shows.

Mbola nanohy ny firesahana momba ny fitiavan'ny maro an'i El Sisi ao amin'ny fahitalavitra Ejipsana iray i Bassem ary nitatra nankany amin'ny fampisehona nahandro sy fampisehoana lamaody izany.

Ny fanontaniana amin'izao fotoana izao dia haharitra hafiriana ao amin'ny MBC Masr ny fampisehoana, mialoha ny andrenesantsika ny vaovao fa mitady fantsona fahitalavitra vaovao hamoahany ny sehony i Bassem Youssef.