Tantara tamin'ny 13 Febroary 2014
Mpikatroka Breziliana Miady Amin'ny Fanaraha-maso Faobe
Satria mivondrona izao tontolo izao mba hanohitra ny fanarahamaso faobe amin'ny 11 febroary 2014, olom-pirenena, fikambanana sy vondrona Breziliana no miara-mientana amin'ny hetsika #TheDayWeFightBack
Antso Ho Famotsorana Ireo Miaramila Iraniana Dimy Nalaina An-keriny
Ny vondrona mpikomy miozolomana-sonita Baloch antsoina hoe Jaish al-Adl (Tafiky ny Rariny na Fitsarana) no milaza ho tompon'antoka sy namoaka ny sarin'ireo miaramila nalaina an-keriny amin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy.
“Connect Uganda”, Tetikasa Famakiamboky Ho An'ny Tantsaha
Nametrahan'ny tranomboky ao an-toerana herinaratra mandeha amin'ny masoandro any ambanivohitr'i Oganda mba handefasana solosaina kely hijerena aterineto, ahafahan'ny tantsaha mianatra momba ny voly, ny fomba fambolena ary fanovàna ny vidin'entana ho an'ireo vokatra vokariny .