Antso Misokatra Hoan'ireo Mpanoratra

Mankafy ny bilaoginay? Te hanoratra ho amin'izany? Mikasa hanitatra ny isan'ireo mpanoratranay ato amin'ny Rising Voices izahay.

Amin'ny fanomezan-danja ny asa fampianarana manodidina ny fampahalalam-baovao nomerika, mitady mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo vaovao izahay mba handray anjara amin'ny bilaogy. Indreto ny olona tadiavinay:

  • Traikefa amin'ny fanoratana lahatsoratra fohy, na antserasera na amin'ny gazetim-paritra
  • Fahaizana momba ny fikatrohana amin'ny fampahalalam-baovao nomerika sy ny fampianarana, ao amin'ny faritra manokana misy anao na any an-kafa lavidavitra kokoa.
  • Manan-kevitra!

Raha liana amin'izany ianao, mandefasa mailaka any amin'i Laura [at] globalvoicesonline [dot] org ahitana ireto manaraka ireto:

  • Filazana fohy momba ireo traikefa amin'ny fanoratana
  • Rohy misy ireo lahatsoratra nosoratana antserasera (raha misy – mety ho ao amin'ny bilaogin'ny tena manokana izany)
  • Manomeza hevitra iray na roa izay mahaliana anao hosoratana miaraka amin'ny Rising Voices, momba ny fampianarana nomerika sy ny fampidirana ny hafa, na mombamomba mpampianatra nomerika iray, na mpikatroka, na ny fisian'izany. Mety hoe ao amin'ny faritra misy anao na any an-kafa mivelabelatra kokoa. Lazao anay ny antony mahatonga anao te hanoratra ilay fironana, fitaovana, tetikasa na olona, ary nahoana izy ireo no tokony ho fantatra eto amin'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.