Toa tahaka ny efa zatra baomba mihitsy ny Libaney hany ka toa tsy azo ihodivirana ny fampiharana natokana hahafantaran'ny olona akaiky anao fa velona ianao. Ny fampiharana izay mitondra ny anarana hoe “I Am Alive (Velona Aho) dia hevitra noforonin'i Sandra Hassan, 26 taona, mpianatra libaney monina ao Paris.

Pikantsarin'ny fampihatra “I am Alive”
Tsotra ny fampiasa an'ilay fampihatra: isaky ny misy baomba mipoaka, sokafanao fotsiny ilay fampihatra ary tsindriana. Mandefa sioka hoazy izy avy eo izay milaza fa “mbola velona ianao” #Lebanona #LatestBombing (Baomba Nipoaka Farany).
Tamin'ny resaka nataony tamin'ny bilaogeran'ny NPR, Rachel Martin, no nanazavan'i Hassan ny antony nanosika azy hamorona ny fampihatra :
“It was maybe a little bit frustrating that, we in Lebanon at least, that we're living in a situation that makes such an application necessary or useful. My way to express that frustration was to publish this app … kind of as a statement against what was happening, a statement of discontent if you will.”
«Somary mandiso fanentanana kely ihany angamba fa, isika eto Liban farafaharatsiny, dia monina aminà toe-javatra izay mahatonga ity fampiharana ity ilaina na mahasoa. Ny fomba hanehoako izany fahadisoam-panantenana izany dia ny famoahana ity fampihatra ity….karazana fanambarana izay zava-mitranga, fanambarana tsy fifaliana raha izay no tianao.”
Samihafa ny fanehoan-kevitra mikasika ilay fampiharana. Raha nanontany mikasika izay eritreretin'ireo mpamaky mikasika ny fampiharana ilay bilaogera Libaney malaza Gino Raidy ao amin'ny GinosBlog, somary tsy dia afa-po avokoa ny ankamaroan'ireo valinteny:
@GinoRaidy sad and poorly done. There are many other ways to resist and state you are alive
— Uberstreet (@NourKhoury) January 25, 2014
@GinoRaidy vita ratsy sy mampalahelo. Misy ireo fomba maro hafa hanoherana sy hilazana fa velona ianao
@GinoRaidy dark humor much?
— Lama Miri (@LamaMiri) January 25, 2014
@GinoRaidy vazivazy ratsy loatra?
@GinoRaidy i don't like it. It's like they're telling us that we'll never be safe
— Mona (@MonaaSalemm) January 25, 2014
@GinoRaidy Tsy tiako ilay izy. Tahaka ny milaza aminay fa tsy ho voaaro mihitsy izahay.
Bilaogera momba ny Informatika sy ny Fifandraisana Erik Neu ao amin'ny Mondegreen nizara ny fihetseham-pon'izy ireo.
This must be the saddest app ever.http://t.co/S8J9QnKZc0 #Lebanon #LatestBombing
— Erik Neu (@ErikNeu) February 3, 2014
Ity mihitsy no fampihatra mampalahelo indrindra mbola tsy fahita.
Na dia izany aza, bilaogera PSFK, Ross Brooks nanana fijery tsara mikasika izay atolotr'ilay fampihatra:
“At times when mobile phone networks get flooded with calls from concerned relatives, the internet provides a better alternative to make sure your message gets through.”
“Tamin'ny fotoana nisian'ny tambajotra finday izay tondraky ny antso avy amin'ireo havana akaiky, manome safidy hafa ny aterineto mba hanamarinana fa tonga ny hafatra alefanao.”