Kabary iray nataon'ny Filoha Cristina Fernández [2] tao amin'ny fahitalavi-pirenena nanambaràny fisondrotana iray vaovao [3]amin'ny fisotroan-dronono sy ny vatsim-pianarana, ankoatra ny zavatra hafa, no niteraka valinkafatra avy hatrany teny anivon'ireo mpampiasa Twitter izay nanomboka nampiasa ny tenifototra #Aumentamos [4] (ampitombointsika) mba hanomezany ny kaontin-dry zareo manokana momba izay ‘nisondrotra’ tao amin'ny fireneny.
Hatramin'ny nanombohan'ny taona 2014, ohatra, iray amin'ireo olana tena nandona mafy ny olona tao Arzantina ny fisondrotan'ny vidin-javatra. Miainga avy amin'ny vidin-javatra ilaina ao an-tokantrano ka hatramin'ireo fitaovana sy fiara, nisy fiovàna goavana niantraika tamin'ny toekarena amin'ny ankapobeny.
Nakarin'i casarosada ho ao amin'ny YouTube [5] [es] tamin'ny 4 Febroary ilay kabary :
Nandritry ny kabary [6], notsindrian'i Cristina Fernández ny tombontsoa azo nandritry ny fotoam-piasàny :
Aumentamos las medidas que permitieron aumentar: hemos aumentado los puestos de trabajo, 6 millones de puestos de trabajo. Hemos aumentado las fábricas, más de 58 mil fábricas desde 2003; hemos aumentado los parques industriales.
Nampitombointsika ireo fepetra hahazoana tombontsoa: nampitombointsika ny asa, asa vaovao niisa 6 tapitrisa. Nakarintsika ny isan'ny orinasa, orinasa maherin'ny 58.000 hatramin'ny 2003; nakarintsika [ny isan'ny] ambaindain'ny indostria.
Fernández manohy hoe :
Aumentamos las universidades nacionales, tenemos nueve más; aumentamos el número de escuelas y de aulas […] aumentamos la cantidad de becas y salarios para que los científicos se quedaran en la Argentina; aumentamos la inversión en ciencia y tecnología […] Aumentamos la infraestructura en riego, en camino, en obras que permitieron recuperar miles de hectáreas bajo el agua; aumentamos la cantidad de argentinos que tienen agua potable y cloacas, también aumentamos el pavimento.
Nampitombointsika ny oniversitem-panjakana, manana sivy amboniny isika; nampitombointsika ny isan'ny sekoly sy ny efitrano fianarana […]; nampitombointsika ny isan'ny vatsim-pianarana nomena sy ny karama mba hijanonan'ireo siantifika eto Arzantina; nampitombointsika ny fampiasam-bola amin'ny siansa sy ny teknolojia; […] nampitombointsika ny fotodrafitrasa fampidiran-drano eny an-tsaha, ny asa làlana, ary ireo asa nahafahantsika nanavotra tany an-tapitrisanà hektara maro rakotry ny rano; nakarintsika ny isan'ireo teratany Arzantina nahazo rano fisotro madio sy fidiovana, ary nampitombointsika ny [haben’] ireo faritra voarary vato.
Ary farany:
Aumentamos el número de jubilados en más de 2,5 millones, gente que no tenía una cobertura previsional y que nos convierte en el país de Latinoamérica de mayor cobertura previsional, con 93%; aumentamos los salarios […]. Aumentamos la compra de medicamentos […]. Aumentamos las inversiones en viviendas […]. Aumentamos la cobertura de aquellos que todavía no tienen un trabajo registrado, que están en ese limbo que se denomina trabajo informal […].
Nampiantsika maherin'ny 2,5 tapitisa ny isan'ireo mpisotro ronono, olona izay tsy nanana akory fiantohana fisotroan-dronono, ary izany no mahatonga antsika ho ny firenena manana ny fiantohana fisotroan-dronono lehibe indrindra, 93%, aty Amerika Latina; nampitombointsika ny karama […] nampitombointsika ny fividianana fanafody […]. Nampitombointsika ny fampiasam-bola amin'ny resaka trano fonenana […] Nakarintsika ny fandraisana an-tànana ireo olona tsy manana asa voarakitra ara-dalàna, izay tanatin'ny toe-draharaha manjavozavo nantsoina hoe asa ivelan'ny rafitra […]
Nilaza ihany koa izy fa nakarin'ny governemantany ny ‘fahefa-mividy’ sady nampiany hoe : “heveriko fa tsy hisy intsony Arzantina ho maty noana.”
Taorian'ilay kabary, ny fehezanteny “nampitombointsika” [7] [es] dia nalaky lasa lohahevitra noresahana be amin'ny Twitter tao an-toerana, miaraka amin'ny fanehoankevitra momba sy manohitra azy :
#aumentamos [8] TODO! corrupción, pobreza, odios, bolsillos de funcionarios, caradurismo, bolazo, inseguridad, riqueza suya
— María Lourdes Moro (@EmeLeMoro) febrero 4, 2014 [9]
Nampitombointsika ny ZAVATRA REHETRA! Kolikoly, fahantrana, fifankahalàna, ny paosin'ny manampahefana, ny tsy fahalalàna menatra, ny lainga, ny tsy fandriampahalemana, ny haren-dramatoa.
#Aumentamos [4] pobreza, impuestos, corrupcion, ignorancia, inseguridad, desempleo, violencia, etc. El gobierno mas corrupto de la historia!!!
— Candela Checa (@CandeAcade) febrero 4, 2014 [10]
Nampitombointsika ny fahantràna, ny hetra, ny kolikoly, ny tsy fahalalàna, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fanànana asa, ny herisetra, sns.. Ny governemanta tena mpanao kolikoly indrindra teo amin'ny tantara !
#Aumentamos [4] en robos, precios, gente que no tiene para comer, inundaciones, muertes. Tranqui igual, Cris dice que a nadie le falta nada(?)
— Alena (@ohh_mills) febrero 4, 2014 [11]
Nampitombointsika ny halatra, ny vidin-javatra, ny olona tsy manan-kohanina, ny tondradrano, ny fahafatesana. Saingy aza manahy, miteny i Cris fa tsy misy olona ho orin-javatra akory eo ( ? )
Nefa naneho ny fanohanany koa ireo izay nomba ny zava-boalazan'ny haino aman-jerim-panjakana :
#Sra [12]. #Cristina [13] Te bancamos [Estamos de acuerdo contigo] Ayer hoy y siempre! #CadenaNacional [14] #Aumentamos [4] La Alegría y el Compromiso en el Pueblo! #07Apagóndeconsumo [15]
— #El21FTodosaLaPlaza (@LoreArau) February 4, 2014 [16]
Teo anilanareo izahay omaly, androany ary ho eo mandrakariva! Hasambarana sy fanompoana miaraka amin'ny vahoaka !
#Aumentamos [4] UNA SOCIEDAD QUE NO ASISTE A SUS MAYORES Y QUE NO ASISTE EN EDUCACION A SUS HIJOS ES UNA SOCIEDAD QUE NO TIENE MEMORIA
— ♥ AnitaArg ♥ (@AnitaaArg) febrero 4, 2014 [17]
Fiarahamonina very tadidy izay fiarahamonina tsy manampy ny zokiolona ao aminy sy tsy manampy amin'ny fanabeazana ny ankiziny
#Aumentamos [4] Que te puedo decir de mi amada presidenta después de escucharla?Que hoy más q nunca: …sigo bancando este proyecto…!
— María Moreaux (@MaraMoreaux) febrero 4, 2014 [18]
Ny zavatra azoko lazaina anareo mikasika ny filoha mamintsika taorian'ny nihainoako azy ve? Dia ny hoe androany ary ho mandrakizay: hanohy hanohana hatrany io tetikasa io izahay !