- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Gazety Menavazana Sri Lankey Maty Nisy Namono Tao An-tranony

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
The Home of murdered former Sri Lankan Agence France-Presse (AFP) journalist Mel Gunasekera is probed by police investigators at the capital Colombo on February 2, 2014. Gunasekera was stabbed to death after a break-in at her family's home. Image by Tharaka Basnayaka. Copyright Demotix (2/2/2014) [1]

Ny tranon'ilay mpanao gazety, Mel Cunasekera avy ao amin'ny Agence France-Presse (AFP) Sri Lanka, maty nisy namono, polisy eo am-panaovana faotorana ao an-drenivohitra Colombo tamin'ny 2 Febroary 2014. Voatsatok'antsy i Gunasekera raha niditra tao an-tranom-pianakaviany. Sary avy amin'i Tharaka Basnavaka. Zon'ny mpamorona Demotix (2/2/2014).

Melicia “Mel” Gunasekera, iray amin'ireo mpanao gazety malaza ao Sri Lanka, no maty voatsatok'antsy [2]tao an-tranony ao Battaramulla, tanàna manodidina an'i Colombo tamin'ny 2 Febroary 2014. Filoha-lefitra tao amin'ny Fitch Ratings Lanka izy ary lehiben'ny tonian-dahatsoratra mpamorona ny Lanka Business Online,  [3] habaka mpilaza ny vaovao ara-bola antserasera. Mpanao gazety taloha tao amin'ny Sampam-pampahalalam-baovao Agence France-Presse izy ary niasa ho mpanao gazety mahaleotena ihany koa.

Nanamarika i D. B. S. Jeyaraj [4]fa tena manana ny lazany i Gunasekera ary nankafizin'ireo mpiara miasa aminy ao anatin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao. Nosamborina tamin'io andro io [5] ihany koa ny mpiasa iray mpanao trano ary nilaza ny valin'ny famotorana voalohany fa mety ho vakitrano no anton'ny loza. Saingy antony hafa kosa no eritreretin’ [6]ireo mpankafy sy mpanaraka azy.

Nalaka Gunawardene [7], nanontany hoe “Iza no Tena Namono An'i Mel Gunasekera?” tao amin'ny bilaogy Groundviews:

According to police, the killer stole just LKR 1,200 (USD 10) and her mobile phone. No other motive is suspected.

Any death is a tragedy, but what do we make of a killing done for small change and a piece of metal?

Araka ny filazan'ny polisy, vola 1200 LKR (10 dolara) sy ny findainy ihany no nangalarin'ilay mpamono olona. Tsy misy antony hafa ahiahiana.

Tranga mampivarahontsana ny fahafatesana rehetra, saingy inona no ataontsika manoloana ny vono olona natao noho ny vola madinika sy sombim-by?

Ahitàna fandinihana mikasika ny antony nahatonga ny firenena iharan'ny hetraketraka [8] ireo fanehoan-kevitra tao Sri Lanka taorian'ny famonoana azy. Nanamarika toy izao ny mpandrafitra lalàna (politika) Rohan Samarajiva [9] tao amin'ny fanomezam-boninahitra tao amin'ny Lanka Business Online:

She should be writing my eulogy, not me hers. The young should not predecease the old. We should have built a country where a young journalist could take the bus with no fear and spend a Sunday morning in her own house without getting murdered. The war brutalized us. Killing became nothing.

Izy no tokony hanoratra ny fanomezam-boninahitra ahy, fa tsy izaho no hanoratra izany aminy. Tsy tokony ho faty alohan'ny antitra ny tanora. Tokony nanorina firenena ahafahan'ny tanora mpanao gazety mandray fiaram-pitaterana tsy amin-tahotra ary mandany ny andro Alahady maraina ao an-tranony tsy misy mamono isika. Nihetraketrahan'ny ady isika. Nanjary tsy misy dikany ny famonoana olona.

Ny sasany kosa misaona ilay mpanao gazety ao amin'ny Twitter:

Mel Gunasekera: tsy hahita intsony izany tsiky mahavariana sy maso manjopiaka izany intsony izahay. Veloma, ry namana akaiky manam-panahy.

Nihoro-koditra sady nalahelo raha nahare fa maty nisy namono ilay mpanao gazety Sri Lankey Mel Gunasekera @MelGuna [10]. Miombo-pò amin'ireo fianakaviany sy ny namany.

Mpiara miasa sy mpankasitraka mahatsiaro manokana an'i Mel Gunasekera